bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Judges 2
Judges 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 3 →
1
Ary ilay Anjelin’NY TOMPO dia niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima ka niteny hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta Aho ka nampiditra anareo eto amin’ny tany izay nianianako tamin’ny razanareo homena azy, ka hoy Aho tamin’izany: Tsy hanatsoaka ny fanekeko aminareo mihitsy Aho;
2
koa aza manao fanekena amin’ireo mponina amin’ity tany ity ianareo fa ravao ny alitarany. Kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo. Koa inona moa izao nataonareo izao?
3
Koa izao no lazaiko: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho fa ho eo anilanareo izy ary ny andriamaniny dia ho fandrika ho anareo.
4
Nony niteny izany teny izany tamin’ny Zanak’Israely rehetra ilay Anjelin’NY TOMPO dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
5
Ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe Bokima, ary namono zavatra teo izy mba hatao fanatitra ho an’NY TOMPO.
6
Rehefa nampodìn’i Josoa ny vahoaka dia nandeha ho any amin’ny lovany avy ny Zanak’Israely rehetra mba handray ny tany.
7
Nanompo NY TOMPO ny vahoaka tamin’ny andro rehetra niainan’i Josoa sy tamin’ny andro rehetra niainan’ireo loholona izay velona taorianan’i Josoa, dia ireo izay nahita ny asa lehibe rehetra nataon’NY TOMPO ho an’ny Israely.
8
Ary maty i Josoa, zanak’i Nona, mpanompon’NY TOMPO, rehefa feno folo amby zato taona ny androny.
9
Dia nalevina tao anatin’ny faritanin’ny lovany izy, tao Timnata-Heresa, any amin’ny tany be havoana any Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gaasy.
10
Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin’ny razany, koa taranaka hafa izay tsy nahalala NY TOMPO na ny asa nataony ho an’ny Israely no nitsangana nandimby azy.
11
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ny Zanak’Israely satria nanompo ireo Baala
12
ka nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; nanaraka andriamanitra hafa tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nahatezitra NY TOMPO.
13
Eny, nahafoy NY TOMPO izy ka nanompo ny Baala sy ireo Astarta.
14
Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka natolony teo an-tanan’ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy; tsy nahajanona teo anoloan’ireo fahavalony intsony izy.
15
Na taiza na taiza no nivoahany hiady dia namely azy ny tanan’NY TOMPO ka nampahory azy, araka izay nolazain’NY TOMPO sy araka izay nianianany taminy. Koa ory indrindra izy.
16
Ary NY TOMPO nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin’ny tanan’ireo namabo azy.
17
Nefa na dia ireo mpitsara teo aminy aza dia tsy mba nohenoiny fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamanitra hafa izy ka niankohoka teo anatrehan’ireny; nalaky nivily niala tamin’ny lalana nandehanan’ireo razany izay nanaraka ny didin’NY TOMPO izy; tsy mba araka izany no nataony.
18
Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy NY TOMPO dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin’ny tanan’ny fahavalony, tamin’ny andro rehetra niainan’izany mpitsara izany; fa nalahelo azy NY TOMPO amin’ny fitarainany noho ny nataon’ireo mpampahory sy mpampijaly azy.
19
Kanjo nony maty ilay mpitsara dia nanao izay ratsy mihoatra noho ny nataon’ny razany indray izy, fa nanaraka andriamanitra hafa sy nanompo azy ireo ary niankohoka teo anatrehany; tsy nitsahatra tamin’ny fanaony sy ny ditrany izy.
20
Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka hoy Izy: Satria nivadika tamin’ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
21
Izaho koa tsy handroaka intsony na dia iray aza amin’ireo firenena navelan’i Josoa tamin’ny nahafatesany
22
mba hizahako toetra ny Israely amin’ny alalan’ireny, na hitandrina ny lalan’NY TOMPO izy ka handeha amin’izany araka izay nitandreman’ny razany izany, na tsia.
23
Dia navelan’NY TOMPO hijanona ireny firenena ireny fa tsy nalaky noroahiny sady tsy natolony rahateo teo an-tanan’i Josoa ireny.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21