bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Psalms 104
Psalms 104
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 103
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 105 →
1
Misaora NY TOMPO, ry fanahiko. RY TOMPO Andriamanitro ô, lehibe indrindra Ianao; famirapiratana sy voninahitra no itafianao.
2
Mitafy ny mazava tahaka ny mitafy lamba Izy ary mamelatra ny lanitra tahaka ny famelatra tranolay.
3
Mametraka ny rairain-drihan’ny tranony amin’ny rano Izy sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin’ny elatry ny rivotra.
4
Manao ny rivotra ho irany Izy ary ny lelafo ho mpanompony.
5
Nanorina ny tany teo ambonin’ny fanorenany Izy mba tsy hihetsehany mandrakizay doria.
6
Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; nandifotra ny tendrombohitra ny rano.
7
Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, noho ny feon’ny kotrokoranao dia nirifatra izy.
8
Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha, ho any amin’izay namboarinao hitoerany.
9
Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy mba tsy hiverina hanarona ny tany.
10
Mampandeha loharano ho riaka eny amin’ny lohasaha Izy; eny anelanelan’ny tendrombohitra no alehan’ireny
11
ka isotroan’ny bibidia rehetra sy analan’ny borikidia ny hetahetany.
12
Eo akaikiny no itoeran’ny voromanidina ary eo amin’ny rantsan-kazo no anenoany.
13
Manondraka rano ny tendrombohitra avy any amin’ny tranony ambony Izy; ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.
14
Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy sy anana ambolen’ny olona Izy ary mamoaka hanina avy amin’ny tany.
15
Ny divay dia mampifaly ny olona ka mampamirapiratra ny tavany mihoatra noho ny diloilo ary ny mofo dia manohana ny ain’ny olona.
16
Voky ny hazon’NY TOMPO, dia ny sederan’i Libanona izay namboleny.
17
Eny no anaovan’ny voronkely ny akaniny ary ny vano dia eny amin’ny hazo kipreso no anaovany ny tranony.
18
Ny tendrombohitra avo dia ho an’ny osidia; ny harambato dia fiarovana ho an’ny hiràka.
19
Nanao ny volana ho famantarana ny fotoana Izy ary mahalala ny filentehany ny masoandro.
20
Mahatonga haizina Ianao dia tonga ny alina ka mivezivezy ny biby rehetra any an’ala;
21
mierona maniry remby ny liona tanora ka mitady ny haniny avy amin’Andriamanitra.
22
Miposaka ny masoandro dia miverina ireny ary ao an-davany no amitsahany.
23
Fa ny olona kosa dia mivoaka ho any amin’ny raharahany sy ny asany mandra-paharivan’ny andro.
24
Endre ny hamaroan’ny asanao, TOMPO ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.
25
Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka, any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, dia zavamiaina, na ny kely na ny lehibe.
26
Any no alehan’ny sambo sy ny leviatana izay noforoninao mba hilalao any.
27
Ireo rehetra ireo dia miandry Anao mba homenao ny haniny amin’ny fotoanany.
28
Manome Ianao dia manangona izy; manokatra ny tananao Ianao dia voky ny soa izy.
29
Manafina ny tavanao Ianao dia raiki-tahotra izy; alainao indray ny ainy dia maty izy ka mody any amin’ny vovoka nanalana azy.
30
Maniraka ny Fanahinao Ianao dia ary izy ary manavao ny velaran’ny tany Ianao.
31
Ho mandrakizay anie ny voninahitry NY TOMPO; aoka hifaly amin’ny asany NY TOMPO.
32
Jereny ny tany dia mihorohoro; tendren’ny tanany ny tendrombohitra dia midona-tsetroka.
33
Hihira ho an’NY TOMPO aho raha mbola velona koa; hankalaza an’Andriamanitro aho raha mbola miaina.
34
Ho maminy anie ny fisainako Azy; izaho no hifaly amin’NY TOMPO.
35
Ho lany ringana tsy ho etỳ amin’ny tany ny mpanota ary tsy ho etỳ intsony ny ratsy fanahy. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko. Haleloia.
← Chapter 103
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 105 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
67
68
69
70
71
72
73
74
75
76
77
78
79
80
81
82
83
84
85
86
87
88
89
90
91
92
93
94
95
96
97
98
99
100
101
102
103
104
105
106
107
108
109
110
111
112
113
114
115
116
117
118
119
120
121
122
123
124
125
126
127
128
129
130
131
132
133
134
135
136
137
138
139
140
141
142
143
144
145
146
147
148
149
150