bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Psalms 68
Psalms 68
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 67
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 69 →
1
Aoka hitsangana Andriamanitra ka hiely ny fahavalony ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.
2
Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ny savoka eo anoloan’ny afo no aoka hahalevonan’ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra.
3
Fa mifaly ny marina; eny, ravoravo eo anatrehan’Andriamanitra izy, mihoby sy mifaly izy!
4
Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny anarany! Manamboara lalana ho an’Izay mitaingina ny kalesiny mamakivaky ny tany efitra! NY TOMPO no anarany. Miravoravoa eo anatrehany!
5
Rain’ny kamboty sy mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra ao amin’ny fonenany masina.
6
Andriamanitra mampitoetra an-trano izay manirery, mamoaka ny mpifatotra ho amin’ny fanambinana Izy; fa ny maditra irery no hitoetra amin’ny tany karankaina.
7
Andriamanitra ô, fony Ianao nandeha teo alohan’ny olonao ka namakivaky ny tany efitra
8
dia nihorohoro ny tany ary nitaitaika ny lanitra tamin’ny fanatrehan’Andriamanitra, dia irỳ Sinay irỳ izany, tamin’ny fanatrehan’Andriamanitra, Andriamanitry ny Israely.
9
Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ny lovanao, Andriamanitra ô! Ary raha kotsa izy dia novelombelominao.
10
Ny olonao dia monina ao; mamponina ny ory araka ny fahasoavanao Ianao, Andriamanitra ô.
11
Ny Tompo manome teny ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe:
12
Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.
13
Raha mandry any amin’ny vala ianareo, ny ela-boromailala dia miravaka volafotsy ary ny volony dia miravaka volamena.
14
Tamin’ny nanelezan’ny Tsitoha ny mpanjaka maro dia latsaka tao Zalmona ny orampanala.
15
Tendrombohitr’Andriamanitra ny tendrombohitr’i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr’i Basana.
16
Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mialona ny tendrombohitra izay tian’Andriamanitra itoerana? Eny, hitoetra ao mandrakizay NY TOMPO.
17
Ny kalesin’Andriamanitra dia an’arivo sy an’alinalina; Ny Tompo no eo amin’ireo; i Sinay dia eo amin’ny fitoerana masina.
18
Niakatra ho any amin’ny avo Ianao ka nitondra babo; nandray fanomezana teo amin’ny olombelona Ianao; eny, teo amin’ny maditra aza mba hitoeran’NY TOMPO Andriamanitra any.
19
Isaorana isanandro isanandro anie ny Tompo; raha misy mahavesatra antsika dia Andriamanitra no famonjena antsika.
20
Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; an’NY TOMPO Andriamanitra ny fanafahana amin’ny fahafatesana.
21
Fa Andriamanitra manapotika ny lohan’ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an’izay mandroso amin’ny fahadisoany.
22
Hoy ny Tompo: Hampody ny any Basana Aho; hampody ny avy amin’ny ranomasina lalina Aho,
23
mba hampihosenanao ra ny tongotrao ary ny fahavalo ho anjaran’ny lelan’ny amboanao.
24
Hita ny filaharan’ny olonao, Andriamanitra ô, dia ny fiavianao, Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin’ny fitoerana masina.
25
Mialoha ny mpihira, manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan’ny zatovovavy mively ampongatapaka.
26
Misaora an’Andriamanitra eo amin’ny fiangonana; eny, misaora NY TOMPO, ianareo avy amin’ny loharanon’ny Israely.
27
Indrỳ i Benjamina izay zandriny indrindra ary mitari-dalana azy, ny antokon’ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.
28
Andriamanitrao no nandidy mba hahery ianao. Andriamanitra ô! Asehoy ny herinao amin’izay nataonao ho anay,
29
avy ao amin’ny tempolinao eo an-tampon’i Jerosalema izay itondran’ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.
30
Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian’ny ombilahy mbamin’ireo andian-janak’omby, dia izay miankohoka manolotra anjam-bolafotsy. Aelezo ny olona tia ady.
31
Ho avy ny tremalahin’i Ejipta; I Kosy dia halaky hananty tanana amin’Andriamanitra.
32
Ianareo fanjakana ambonin’ny tany, mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Tompo.
33
Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola, indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery.
34
Ekeo ho an’Andriamanitra ny hery; ambonin’ny Israely ny voninahiny ary ny heriny dia eny amin’ny rahona.
35
Mahatahotra Ianao, Andriamanitra ô, ao amin’ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Israely no manome hery sy tanjaka ho an’ny firenena. Isaorana anie Andriamanitra.
← Chapter 67
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 69 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
67
68
69
70
71
72
73
74
75
76
77
78
79
80
81
82
83
84
85
86
87
88
89
90
91
92
93
94
95
96
97
98
99
100
101
102
103
104
105
106
107
108
109
110
111
112
113
114
115
116
117
118
119
120
121
122
123
124
125
126
127
128
129
130
131
132
133
134
135
136
137
138
139
140
141
142
143
144
145
146
147
148
149
150