bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Psalms 78
Psalms 78
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 77
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 79 →
1
Henoy ny fampianarako, ry oloko! Atongilano ny sofinareo amin’ny tenin’ny vavako.
2
Hiloa-bava hilaza fanoharana aho! Hanonona ankamantatra efa hatry ny ela aho.
3
Izay efa rentsika sy fantatsika ary nambaran’ny razantsika tamintsika
4
dia tsy mba hafenintsika amin’ny zanany, fa hambarantsika amin’ny taranaka ho avy ny fiderana NY TOMPO sy ny heriny ary ny fahagagana nataony.
5
Fa nanorina teny vavolombelona teo amin’i Jakoba Izy ary teo amin’ny Israely no nametrahany lalàna izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany,
6
mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy, dia ny zaza mbola hateraka, ka hitsangana hitory izany amin’ny zanany kosa.
7
Hametraka ny fanantenany amin’Andriamanitra izy ka tsy hanadino ny asany fa hitandrina ny didiny;
8
tsy ho tahaka ny razany izay taranaka maditra sy mpiodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiorina ny fony sady tsy marina tamin’Andriamanitra ny fanahiny.
9
Ny zanak’i Efraima izay nitondra tsipìka hitifirany dia niamboho tamin’ny andron’ny ady.
10
Tsy nitandrina ny faneken’Andriamanitra izy ary tsy nety nandeha araka ny lalànany.
11
Nohadinoiny ny asany sy ny fahagagana izay nampahitany azy.
12
Teo anatrehan’ny razany no nanaovany fahagagana tany amin’ny tany Ejipta, dia tany amin’ny tany lemak’i Zoana.
13
Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijoro ny rano ho toy ny antontan-javatra.
14
Tamin’ny rahona no nitarihany azy raha antoandro ary afo mahazava nony alina.
15
Namaky vatolampy tany an-tany efitra Izy ka nampigoka azy tahaka ny tamin’ny ranon’ny lalina.
16
Nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
17
Kanjo mbola nandroso nanota Taminy ihany izy ireo ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-tany efitra.
18
Naka fanahy an’Andriamanitra tao am-pony izy tamin’ny nilany hanina araka izay nahaliana azy.
19
Dia niteny nanohitra an’Andriamanitra izy hoe: Mahay mamelatra latabatra atỳ an-tany efitra va Andriamanitra?
20
Indro, nikapoka ny vatolampy Izy dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an’ny olony va Izy?
21
Nony ren’NY TOMPO izany dia tezitra Izy; nisy afo nirehitra tamin’i Jakoba sady nisy fahatezerana namely an’Israely,
22
satria tsy nino an’Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.
23
Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy ary ny varavaran’ny lanitra no novohany,
24
dia nampirotsaka mana taminy mba hohaniny Izy ary varin’ny lanitra no nomeny azy.
25
Ny fihinan’ny mahery no nohanin’ny olona; nandefasany hanina hahavoky azy izy.
26
Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin’ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo;
27
dia nampilatsahany hena betsaka ohatra ny vovoka izy sy voromanidina ohatra ny fasiky ny ranomasina
28
ka nalatsany teny afovoan’ny tobiny manodidina ny fitoerany.
29
Dia nihinana izy ireo ka voky tsara ary izay nilainy dia nomeny azy.
30
Nefa tsy niala tamin’ny filany izy ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny
31
raha nirehitra taminy ny fahatezeran’Andriamanitra ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy ary naripany ny zatovolahin’ny Israely.
32
Tamin’izany rehetra izany anefa dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony.
33
Dia nanapitra ny androny tao anatin’ny zava-poana Izy ary ny taonany tao amin’ny horohoro.
34
Rehefa nisy novonoiny tamin’ireo dia nitady Azy izy dia niverina, dia nikatsaka Azy fatratra.
35
Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no vatolampiny ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.
36
Kanefa namitaka Azy tamin’ny vavany ireo ary tamin’ny lelany no nandaingany Taminy.
37
Ny fony dia tsy niorina Taminy akory; eny, tsy nitana ny fanekeny izy.
38
Nefa Andriamanitra dia be famindrampo ka mamela heloka fa tsy mandringana; eny, nahatsindry fo tokoa Izy ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany.
39
Nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.
40
Impiry akory izy ireo no efa nikomy Taminy tany an-tany efitra ka nampalahelo Azy tany an-tany foana!
41
Naka fanahy an’Andriamanitra mandrakariva izy ka nampalahelo ny Iray Masin’ny Israely.
42
Tsy mba tsaroany ny namonjeny azy, na ny andro izay nanavotany azy tamin’ny fahavalo,
43
izay nanaovany famantarana tany Ejipta sy fahagagana tany an-tany lemak’i Zoana:
44
Nampody ny oniny ho ra Izy ary ny reniranony dia tsy azony nisotroana.
45
Nandefa fihitra betsaka hamely azy Izy ka nandany azy ireny ary sahona ka nanimba azy ireny.
46
Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an’ny sompanga Izy ary ny vokatry ny asany ho an’ny valala.
47
Namono ny voalobony tamin’ny havandra Izy ary ny aviaviny tamin’ny havandra vaventy.
48
Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an’ny havandra Izy ary ny omby aman’ondriny ho an’ny varatra.
49
Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy; eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely maro mitondra loza.
50
Nanamboatra lalana ho an’ny fahatezerany Izy ary tsy niaro ny ain’ireo tamin’ny fahafatesana, fa nanolotra azy ho lanin’ny areti-mandringana.
51
Namely ny lahimatoa rehetra tany Ejipta Izy, dia ny voalohan-terany tany an-dain’i Hama.
52
Namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy ary nitarika azy tany an-tany efitra toy ny andian’ondry.
53
Notarihiny tamim-piadanana izy ireo ka tsy mba natahotra, fa ny fahavalony kosa dia voasaron’ny ranomasina.
54
Nitondra azy ho any amin’ny tany misy ny fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra izay azon’ny tanany ankavanana.
55
Nandroaka ny Jentilisa teo anoloany Izy ka nanome ny tanin’ireny ho lova nozaraina tamin’ny kofehy fandrefesana, dia nampitoetra ireo fokon’ny Israely tao an-dainy avy.
56
Nefa naka fanahy an’Andriamanitra Avo Indrindra izy ka nikomy taminy ary tsy notandremany ny teny vavolombelony.
57
Nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany dia nania tahaka ny tsipìka mamitaka ny mpampiasa azy.
58
Nampahatezitra Azy tamin’ny toerana fanaovany sorona izy sady nahasaro-piaro Azy tamin’ny sarin-javatra voasokitra.
59
Nandre izany Andriamanitra dia tezitra ka nolaviny mihitsy ny Israely
60
sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny tranolay izay naoriny teo amin’ny olona;
61
natolony ho babo ny heriny ary ho eo an-tanan’ny fahavalo ny voninahiny.
62
Dia nanolotra ny olony ho an’ny sabatra Izy ary tezitra indrindra tamin’ny lovany.
63
Ny zatovolahiny dia lanin’ny afo ary ny zatovovaviny dia tsy mba nisy nidera.
64
Lavon-tsabatra ny mpisorony, nefa tsy nisaona ny mpitondratenan’ireo.
65
Dia nifoha tahaka ny olona avy natory ny Tompo, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ny divay.
66
Namely ny fahavalony avy ao aorianany Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.
67
Nanary ny tranolain’i Josefa Izy ary tsy nofidiny ny fokon’i Efraima.
68
Fa nifidy ny fokon’i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
69
Nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.
70
Nifidy an’i Davida mpanompony Izy ka naka azy avy tany amin’ny valan’ondry;
71
tany amin’ny fiandrasany ny ondrivavy mampinono no nakany azy mba hiandry an’i Jakoba olony sy Israely lovany.
72
Dia niandry ireo tamin’ny hitsim-po izy ka nitondra azy araka ny fahendren’ny tanany.
← Chapter 77
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 79 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
67
68
69
70
71
72
73
74
75
76
77
78
79
80
81
82
83
84
85
86
87
88
89
90
91
92
93
94
95
96
97
98
99
100
101
102
103
104
105
106
107
108
109
110
111
112
113
114
115
116
117
118
119
120
121
122
123
124
125
126
127
128
129
130
131
132
133
134
135
136
137
138
139
140
141
142
143
144
145
146
147
148
149
150