bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Psalms 119
Psalms 119
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 118
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 120 →
1
Sambatra ny mahitsy lalana, dia izay mandeha araka ny lalànan’NY TOMPO.
2
Sambatra izay mitandrina ny teny vavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo manontolo;
3
eny, izay tsy manao ny ratsy fa mandeha araka ny lalany.
4
Namoaka ny didinao Ianao mba hotandremana tsara.
5
Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako hitandremako ny didinao!
6
Dia tsy ho menatra aho rehefa mandinika ny didinao rehetra.
7
Hidera Anao amin’ny fo mahitsy aho amin’ny ianarako ny fitsipikao marina.
8
Ny didinao no hotandremako; aza dia mahafoy ahy Ianao!
9
Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany ho madio? Ny fitandremana araka ny teninao.
10
Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.
11
Ato am-poko no iraketako ny teninao mba tsy hanotako Aminao.
12
Isaorana anie Ianao, RY TOMPO; ampianaro ahy ny didinao.
13
Ny molotro no nentiko nilaza ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
14
Ny lalan’ny teny vavolombelonao no ifaliako, tahaka ny ifaliako amin’ny harena rehetra.
15
Ny didinao no saintsainiko ary ny lalanao no dinihiko.
16
Ny didinao no iravoravoako; tsy hadinoiko ny teninao.
17
Asio soa aho mpanomponao mba ho velona ka hitandrina ny teninao.
18
Ampahirato ny masoko mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ny lalànanao.
19
Vahiny etỳ an-tany aho; aza afeninao ahy ny didinao.
20
Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany ny fitsipikao amin’ny fotoana rehetra.
21
Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona izay mania miala amin’ny didinao.
22
Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana; fa mitandrina ny teny vavolombelonao aho.
23
Na dia ireo mpanapaka aza dia mipetraka ka mioko hamely ahy; izaho mpanomponao dia misaintsaina ny didinao.
24
Ny teny vavolombelonao koa no firavoravoako eny, mpanolotsaina ahy izany.
25
Miraikitra amin’ny vovoka ny fanahiko; velomy aho araka ny teninao.
26
Nolazaiko Anao ny lalako dia namaly ahy Ianao; ampianaro ahy ny didinao.
27
Ampahalalao ahy ny lalan’ny didinao dia hisaintsaina ireo fahagagana nataonao aho.
28
Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; ampaherezo aho araka ny teninao.
29
Esory amiko ny lalan’ny lainga ka ny lalànanao no anasoavy ahy.
30
Ny lalan’ny fahamarinanao no fidiko; apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
31
Mifikitra amin’ny teny vavolombelonao aho; TOMPO ô, aza avela ho azon-kenatra aho.
32
Ny lalan’ny didinao no ihazakazahako, fa ampahalalahinao ny foko.
33
TOMPO ô, toroy ny lalan’ny didinao aho dia hotandremako hatramin’ny farany izany.
34
Omeo fahiratan-tsaina aho mba hitandrina ny lalànanao; eny, hitandrina azy amin’ny foko manontolo aho.
35
Ampandehano amin’ny lalan’ny didinao aho fa izany no sitrako.
36
Ataovy mirona ho amin’ny teny vavolombelonao ny foko, fa tsy ho amin’ny fitiavan-karena.
37
Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; velomy amin’ny lalanao aho.
38
Tovy ny teninao amin’ny mpanomponao, dia amin’izay matahotra Anao.
39
Esory ny fahafaham-baraka izay atahorako, fa tsara ny fitsipikao.
40
Indro, manina ny didinao aho; velomy amin’ny fahamarinanao aho.
41
Aoka ho tonga amiko ny famindramponao, TOMPO ô, dia ny famonjenao, araka ny teninao.
42
Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho satria matoky ny teninao.
43
Ary aza dia esorina amin’ny vavako ny teny marina fa miandry ny fitsaranao aho.
44
Dia hitandrina ny lalànanao mandrakariva aho, dia mandrakizay doria.
45
Ary handeha amin’ny malalaka aho fa ny didinao no tadiaviko.
46
Hilaza ny teny vavolombelonao eo anatrehan’ireo mpanjaka aho ka tsy ho menatra.
47
Ary hiravoravo amin’ny didinao aho satria tiako ireny.
48
Hasandratro ny tanako ho amin’ny didinao satria tiako ireny; hosaintsainiko ny didinao.
49
Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao, dia ilay teny nampanantenainao ahy.
50
Izany no mampionona ahy amin’ny fahoriako; ny teninao no mamelona ahy.
51
Maniratsira ahy fatratra ny mpirehareha; tsy mba mivily miala amin’ny lalànanao aho.
52
Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ny taloha aho, TOMPO ô, dia mionona.
53
Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy noho ny amin’ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànanao.
54
Ny didinao no ataoko an-kira ao amin’ny trano fivahinianako.
55
Mahatsiaro ny anaranao aho nony alina, TOMPO ô, ka mitandrina ny lalànanao.
56
Izao no anjarako, dia ny mitandrina ny didinao.
57
Anjarako NY TOMPO; minia mitandrina ny teninao aho.
58
Mifona Aminao amin’ny foko manontolo aho; mamindrà fo amiko araka ny teninao.
59
Mihevitra ny lalako aho ka mamerina ny tongotro ho amin’ny teny vavolombelonao.
60
Mandeha haingana aho ka tsy mitaredretra amin’ny fitandremana ny didinao.
61
Nihodidina tamiko ny famatoran’ny ratsy fanahy; tsy mba nanadino ny lalànanao aho.
62
Mamatonalina no hifohazako hidera Anao noho ny fitsaranao marina.
63
Naman’izay rehetra matahotra Anao aho sady naman’izay mitandrina ny didinao.
64
TOMPO ô, henika ny famindramponao ny tany; ampianaro ahy ny didinao.
65
TOMPO ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, araka ny teninao.
66
Ampianaro fahaiza-mamantatra tsara sy fahalalana aho fa matoky ny didinao aho.
67
Fony tsy mbola azom-pahoriana aho dia naniasia; fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
68
Sady tsara Ianao no mpanao ny tsara; ampianaro ahy ny didinao.
69
Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; amin’ny foko manontolo no itandremako ny didinao.
70
Mandry tahaka ny menaka ny fony; fa izaho kosa dia ny lalànanao no iravoravoako.
71
Soa ihany aho nampahorina mba hianarako ny didinao.
72
Ny lalànan’ny vavanao no mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy an’arivony.
73
Ny tananao no nanao ahy sy nanamboatra ahy; omeo saina mahiratra aho mba hianarako ny didinao.
74
Hahita ahy izay matahotra Anao ka ho faly, fa ny teninao no andrasako.
75
Fantatro, TOMPO ô, fa marina ny fitsaranao ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
76
Ny famindramponao anie no hampiononana ahy araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.
77
Aoka ho tonga amiko ny fiantranao mba ho velona aho, fa ny lalànanao no firavoravoako.
78
Aoka ho menatra ny mpirehareha fa nampahory ahy tsy amin’antony izy; fa izaho dia misaintsaina ny didinao.
79
Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao sy izay mahalala ny teny vavolombelonao.
80
Aoka ho marina tsara ny foko amin’ny fitanana ny didinao mba tsy hahamenatra ahy.
81
Reraka ny aiko satria manina ny famonjenao aho; ny teninao no andrasako.
82
Pahina ny masoko miandry ny teninao ka hoy aho hoe: Rahoviana no hampionona ahy Ianao?
83
Fa tahaka ny siny hoditra ao amin’ny setroka aho, nefa tsy mba hadinoiko ny didinao.
84
Hafiriana ny andron’ny mpanomponao? Rahoviana Ianao no hanao fitsarana amin’izay manenjika ahy?
85
Efa nihady lavaka hianjerako ny mpirehareha, dia izay tsy manaraka ny lalànanao.
86
Marina ny didinao rehetra; manenjika ahy tsy amin’antony ireny; vonjeo aho.
87
Saika nofongorany tamin’ny tany aho kanefa tsy mba mahafoy ny didinao aho.
88
Velomy aho araka ny famindramponao, dia hitandrina ny teny vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
89
Ho mandrakizay, TOMPO ô, no nanorenanao any an-danitra ny teninao.
90
Hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahamarinanao; efa nampitoetra ny tany Ianao ka indro, mitoetra izy.
91
Mitoetra ny zavatra rehetra ankehitriny, araka ny didinao, satria manompo Anao ny zavatra rehetra.
92
Raha tsy ny lalanao no niravoravoako dia maty tamin’ny fahoriako aho.
93
Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao, fa ireny no amelomanao ahy.
94
Anao aho, vonjeo aho, fa ny didinao no tadiaviko.
95
Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; mandinika ny teny vavolombelonao aho.
96
Efa hitako fa manam-petra avokoa ny tanteraka rehetra ary tsy hita noanoa ny didinao.
97
Endre ny fitiavako ny lalànanao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
98
Mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko ny didinao satria ato amiko mandrakizay ireny.
99
Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, satria ny teny vavolombelonao no fisaintsainako.
100
Hendry noho ny zokiolona aho satria ny didinao no tandremako.
101
Arovako ny tongotro tsy ho amin’izay lalan-dratsy mba hitandremako ny teninao.
102
Tsy mba miala amin’ny fitsipikao aho fa Ianao no mampianatra ahy.
103
Endre ny hamamin’ny teninao raha andramako, mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
104
Ny didinao no nahazoako fahalalana; izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
105
Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao.
106
Efa nianiana aho ka efaiko izany, fa hitandrina ny fitsipikao marina aho.
107
Ampahoriana loatra aho; TOMPO ô, velomy araka ny teninao aho.
108
TOMPO ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanatitra an-tsitrapo aloaky ny vavako ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
109
Mandrakariva, an-tenda ihany ny aiko, kanefa tsy manadino ny lalànanao aho.
110
Manao vela-pandrika haningotra ahy ny ratsy fanahy, kanefa tsy mania miala amin’ny didinao aho.
111
Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teny vavolombelonao satria fifalian’ny foko izany.
112
Apetrako ny foko hankatò ny didinao, mandrakizay, hatramin’ny farany.
113
Halako ny mpiroa saina fa ny lalànanao no tiako.
114
Fiereko sy ampingako Ianao; ny teninao no andrasako.
115
Mialà amiko ianareo mpanao ratsy mba hitandremako ny didin’Andriamanitro.
116
Tohàny araka ny teninao aho mba ho velona ary aoka tsy ho menatra amin’ny fanantenako aho.
117
Tohàny aho mba ho voavonjy ka ho faly mandrakariva hijery ny didinao.
118
Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny didinao eny, lainga ny fitaka ataony.
119
Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; izany no itiavako ny teny vavolombelonao.
120
Mipararetra ny nofoko noho ny fahatahorana Anao ary matahotra ny fitsaranao aho.
121
Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; aza manolotra ahy ho amin’ny mpampahory ahy.
122
Iantohy ny mpanomponao mba ho soa; aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
123
Pahina ny masoko miandry ny famonjenao sy ny tenin’ny fahamarinanao.
124
Ataovy amin’ny mpanomponao araka ny famindramponao ary ampianaro ahy ny didinao.
125
Mpanomponao aho ka ampahirato ny saiko mba ho fantatro ny teny vavolombelonao.
126
Efa andro tokony hampisehoan’NY TOMPO ny asany izao; fa mandika ny lalànanao ny olona.
127
Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena; eny, noho ny volamena tsy miharo aza.
128
Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; halako ny lalam-pitaka rehetra.
129
Mahagaga ny teny vavolombelonao ka izany no itandremako azy.
130
Mitondra fahazavana ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ny olona tso-po.
131
Mitanatana vava aho ka misento, fa ny didinao no iriko.
132
Todiho aho ka mamindrà fo amiko, araka ny tokony ho anjaran’izay tia ny anaranao.
133
Ampioreno amin’ny teninao ny diako ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
134
Vonjeo amin’ny fampahoriana ataon’ny olona aho dia hitandrina ny didinao.
135
Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny tavanao ary ampianaro ahy ny didinao.
136
Rano mandriaka no mijononoka amin’ny masoko noho ny tsy fitandreman’ny olona ny lalànanao.
137
Marina Ianao, TOMPO ô, ary mahitsy ny fitsaranao.
138
Efa voadidinao amin’ny fahamarinana sy ny fahatokiana feno ny teny vavolombelonao.
139
Mandevona ahy ny zotom-poko satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.
140
Voazaha toetra tamin’ny memy ny teninao ka tian’ny mpanomponao.
141
Kely aho ka natao tsinontsinona, nefa tsy hadinoiko ny didinao.
142
Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay ary marina ny lalànanao.
143
Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy, fa ny didinao no firavoravoako.
144
Ny fahamarinan’ny teny vavolombelonao dia mandrakizay; omeo fahiratan-tsaina aho mba ho velona.
145
Ny foko manontolo no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, TOMPO ô; ny didinao no hotandremako;
146
Nitaraina taminao aho hoe: Vonjeo aho, dia hitandrina ny didinao.
147
Raha mbola tsy nazava ratsy aza ny andro dia nitaraina aho; ny teninao no andrasako.
148
Nialoha ny fotoam-piambenana amin’ny alina ny masoko mba hisaintsainako ny teninao.
149
Henoy araka ny famindramponao ny feoko; TOMPO ô, velomy aho araka ny fitsipikao.
150
Efa manakaiky ireo izay fatra-panaraka ny ratsy, dia izay manalavitra ny lalànanao.
151
Akaiky Ianao, TOMPO ô, ary marina ny didinao rehetra.
152
Efa fantatro ela tamin’ny teny vavolombelonao fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
153
Jereo ny fahoriako ka vonjeo aho, fa tsy mba hadinoiko ny lalànanao.
154
Soloy vava aho ka vonjeo; velomy araka ny teninao aho.
155
Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, satria tsy tadiaviny ny didinao.
156
Lehibe ny antranao, TOMPO ô; velomy aho araka ny fitsipikao.
157
Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; tsy mba niala tamin’ny teny vavolombelonao aho.
158
Mijery ny mpivadika aho ka maharikoriko ahy ireny, dia ireo tsy nitandrina ny teninao.
159
Jereo ny fitiavako ny didinao! TOMPO ô, velomy aho araka ny famindramponao.
160
Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
161
Nanenjika ahy tsy amin’antony ny mpanapaka, nefa ny teninao no atahoran’ny foko.
162
Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be.
163
Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; ny lalànanao no tiako.
164
Impito isanandro no iderako Anao noho ny fitsipikao marina.
165
Be fiadanana izay tia ny lalànanao ary tsy misy mahatafintohina azy.
166
Miandry ny famonjenao aho, TOMPO ô, ka mankatò ny didinao.
167
Mitandrina ny teny vavolombelonao ny fanahiko ka tiako indrindra izany.
168
Mitandrina ny didinao sy ny teny vavolombelonao aho, fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.
169
Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, TOMPO ô; omeo fahiratan-tsaina aho araka ny teninao.
170
Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; afaho aho araka ny teninao.
171
Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, fa ampianarinao ahy ny didinao.
172
Hankalaza ny teninao ny lelako, fa marina ny didinao rehetra.
173
Aoka anie hamonjy ahy ny tananao, fa efa nifidy ny didinao aho.
174
Efa manina ny famonjenao aho, TOMPO ô, ary ny lalànanao no firavoravoako.
175
Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.
176
Efa nania aho; tadiavo toy ny fitady ondry very ny mpanomponao, fa tsy mba hadinoiko ny didinao.
← Chapter 118
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 120 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
67
68
69
70
71
72
73
74
75
76
77
78
79
80
81
82
83
84
85
86
87
88
89
90
91
92
93
94
95
96
97
98
99
100
101
102
103
104
105
106
107
108
109
110
111
112
113
114
115
116
117
118
119
120
121
122
123
124
125
126
127
128
129
130
131
132
133
134
135
136
137
138
139
140
141
142
143
144
145
146
147
148
149
150