bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
1 Timothy 1
1 Timothy 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 2 →
1
I Paoly, apostolin’i Kristy* Jesosy araka ny didin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika,
2
no mamangy an’i Timoty, tena zanako amin’ny finoana: Ho aminao anie ny fahasoavana, famindrampo, fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3
Araka ny nangatahiko taminao fony aho handeha any Makedonia dia aoka ianao hitoetra any Efesosy mba handraranao ny olona sasany tsy hanao fampianarana hafahafa
4
na ho variana amin’ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga adihevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an’Andriamanitra amin’ny finoana ireny.
5
Fa ny anton’ny didy fandrarana dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy;
6
fa fihatsarambelatsihy no nivilian’ny sasany ka nampania ho amin’ny resaka tsy misy antony.
7
Izy ireny dia te ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.
8
Fantatsika anefa fa tsara ny lalàna raha entin’ny olona araka izay antony
9
ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna fa ny mpandika lalàna sy ny mpikomy, dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona mpaniratsira, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,
10
ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpivarotra olona, ny mpandainga, ny mpanao fianianana mandainga, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema,
11
araka ny Filazantsaran’ny voninahitr’Andriamanitra loharanom-pahasambarana, izay nankinina tamiko.
12
Izaho dia misaotra an’i Kristy* Jesosy Tompontsika, izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ny fanompoana,
13
dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindrampo aho satria tamin’ny tsy fahalalana noho ny tsy finoana no nanaovako ireny.
14
Fa mitafotafo ny fahasoavan’ny Tompontsika tamin’ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin’i Kristy Jesosy.
15
Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: Tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny dia izaho no lohany.
16
Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hanehoan’i Jesosy Kristy eo amiko izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’izay hino Azy ka hahazoany ny fiainana mandrakizay.
17
Ary ho an’ny Mpanjaka mandrakizay, tsy mety maty, tsy hita maso, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
18
Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao mba hoentinao miady ny ady tsara,
19
amin’ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian’ny sasany, koa toy ny olona vaky sambo izy amin’ny lafin’ny finoana;
20
naman’ireny i Himeneo sy i Aleksandra, izay natolotro ho an’i Satana mba hofaizina tsy hiteny ratsy.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6