bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
1 Timothy 6
1 Timothy 6
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
1
Izay andevo rehetra eo ambanin’ny zioga dia aoka hanao ny tompony ho mendrika hohajaina tsara mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra sy ny fampianarana.
2
Izay manana tompo mpino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy satria ilay mandray ny soa ataony dia mpino sady malala. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro. Ireo zavatra ireo no ampianaro sy ananaro.
3
Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, ilay an’i Jesosy Kristy* Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’Andriamanitra,
4
dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona fa adala amin’ny fiadian-kevitra sy ny fampiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
5
fifandirana lalandava, fanaon’ny olona ratsy saina sady efa nialan’ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoana tombontsoa.
6
Fa misy tombontsoa lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra raha mahay mianina amin’izay ananana.
7
Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona rehefa miala.
8
Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika dia aoka hianina amin’izany.
9
Fa izay ta hanankarena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny faharinganana sy ny fahaverezana.
10
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.
11
Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, dia mandosira ireny zavatra ireny ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
12
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany koa no niantsoana anao sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.
13
Izaho dia mananatra anao eo anatrehan’Andriamanitra izay mamelona ny zavatra rehetra ary eo anatrehan’i Kristy* Jesosy izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’i Pontio Pilato
14
mba hotahirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika ireo didy ireo;
15
fa Izy no haneho izany amin’ny fotoanandrony, dia ilay hany tompom-pahefana sy loharanon’ny fahasambarana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo;
16
Izy ihany no manana ny tsy fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina, izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
17
Anaro ny mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona na hatoky ny harena miovaova fa hatoky an’Andriamanitra izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika.
18
Aoka hanao soa izy ireo mba hanankarena amin’ny asa tsara, ary hazoto manome sy miantra,
19
dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy mba hihazonany ny tena fiainana.
20
Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao ka mialà amin’ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy.
21
Neken’ny sasany izany ka nania tamin’ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana!
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
All chapters:
1
2
3
4
5
6