bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
1 Timothy 5
1 Timothy 5
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 6 →
1
Aza mamely mafy loatra ny lehilahy efa zokiolona fa anaro toy ny ray izy, ny tovolahy dia toy ny rahalahy,
2
ny vehivavy efa zokiolona toy ny reny ary ny tovovavy dia toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra.
3
Omeo voninahitra ny mpitondratena izay tena mpitondratena tokoa.
4
Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy dia aoka aloha ireo hianatra haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny ray aman-dreniny, fa izany no ankasitrahina eo anatrehan’Andriamanitra.
5
Fa izay tena mpitondratena tokoa ka mipetraka irery dia manantena an’Andriamanitra ka maharitra amin’ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman’alina.
6
Fa izay vehivavy manaram-po amin’ny fahafinaretana dia maty fahavelony.
7
Izany zavatra izany no ambarao hentitra mba tsy hananany tsiny.
8
Fa raha misy tsy mikarakara ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
9
Ny azo soratana ho isan’ny mpitondratena dia izay tsy latsaky ny enimpolo taona sady nanambady indray mandeha ihany.
10
Tsy maintsy tsara laza amin’ny asa tsara izy: Raha namelon-jaza, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny azom-pahoriana, raha nazoto nanatanteraka ny asa tsara rehetra.
11
Fa mandava kosa ny mpitondratena mbola tanora; fa rehefa mampitodika azy hanalavitra an’i Kristy* ny faniriany dia ta hanambady indray izy izay.
12
Koa meloka izy satria nandà ny fanekena nataony teo aloha.
13
Ankoatra izay dia mianatra ho malaina miasa koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina miasa ihany fa mitati-dresaka sy mpandehandeha miraharaha ny an’olona ka manao teny tsy tokony hotenenina.
14
Koa tiako raha hanambady indray ny mpitondratena mbola tanora ary hanan-janaka sy hitondra ny tokantranony ka tsy hanome vahana ny fahavalo hitenenany ratsy azy.
15
Fa efa nivily sahady ny sasany nanaraka an’i Satana.
16
Raha misy vehivavy mpino manana havana mpitondratena dia aoka izy no hikarakara azy, fa aza avela hahavaky tratra ny fiangonana mba hikarakarany izay tena mpitondratena tokoa.
17
Ny loholona izay mahay mitarika dia mendrika ny hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana.
18
Fa hoy ny Soratra Masina: «Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary ianao» (Deo 25.4). Ary koa: «Ny mpiasa dia mendrika hahazo ny karamany» (Lio 10.7).
19
Aza mandray teny hiampangana loholona raha tsy misy vavolombelona roa na telo.
20
Izay manota dia anaro eo anatrehan’ny olona rehetra mba hatahotra koa ny sasany.
21
Mananatra mafy anao aho eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy* Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany ka tsy hisy fizahan-tavan’olona na fanaovana na inona na inona amin’ny fiangarana.
22
Aza malaky mametra-tanana amin’olona na iza na iza ary aza miombona ota amin’ny sasany; tahirizo madio ny tenanao.
23
Aza dia rano fotsiny no atao fisotro fa misotroa divay kely noho ny am-bavafonao sy ny fahosaosanao matetika.
24
Miharihary ny fahotan’ny olona sasany ka mialoha azy ho amin’ny fitsarana, fa ny an’ny sasany kosa dia manaraka ato aoriana.
25
Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary na ny ankoatra izany aza dia tsy ho azo afenina.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6