bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
1 Timothy 4
1 Timothy 4
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 5 →
1
Fa milaza marina ny Fanahy fa amin’ny andro farany dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany ka hanaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia,
2
amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga izay voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany.
3
Mandrara tsy hanambady izy ireny ary mampifady hanina, izay nataon’Andriamanitra ho an’izay mino sady mahalala ny marina mba horaisiny amin’ny fisaorana.
4
Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa ka tsy misy tokony holavina raha raisina amin’ny fisaorana
5
satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka izany.
6
Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’izany zavatra izany ianao dia ho mpanompo tsara an’i Kristy* Jesosy, tezaina amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.
7
Fa ny anganongano ratsy fanaon’ny vaviantitra dia aza raisina, fa mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.
8
Eny, mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa indrindra amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
9
Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra.
10
Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay satria izahay dia manantena an’Andriamanitra velona izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
11
Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
12
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.
13
Mandra-pahatongako dia tandremo ny famakian-teny sy ny fananarana ary ny fampianarana.
14
Aza atao tsirambina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tanan’ny loholona.
15
Mazotoa mihevitra ireo zavatra ireo dia mikeleza aina fatratra amin’izany mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.
16
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao ka mahareta amin’izany; fa raha manatanteraka ireo ianao dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6