bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
1 Timothy 3
1 Timothy 3
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 4 →
1
Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitondra fiangonana dia maniry asa tsara izy.
2
Koa ny mpitondra fiangonana dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manambady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,
3
tsy mpimamo lian’ady, tsy mpikapoka fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy fatra-pitia vola,
4
mitondra tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana tsara.
5
Fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana moa no fikarakarany ny fiangonan’ Andriamanitra?
6
Tsy izay vao avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fanamelohan’ny devoly.
7
Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
8
Ny diakona koa dia toy izany ihany, ho maotina, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
9
mitandrina tsara ny zavamiafina ny amin’ny finoana amin’ny fieritreretana madio.
10
Aoka hozahan-toetra aloha ireo, izay vao hanao ny asan’ny diakona izy raha tsy manan-tsiny.
11
Ny vehivavy koa dia ho toy izany ihany, ho maotina, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra.
12
Aoka hanambady iray ihany ny diakona ary aoka hitondra tsara ny zanany sy ny ankohonany koa izy.
13
Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ny tenany sy fahatokiana be amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy* Jesosy.
14
Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankaty aminao haingana aza aho;
15
fa raha tratra ela aho dia fantaro izay fitondrantena mety hatao ao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ny fiangonan’Andriamanitra velona izay andry sy fiorenan’ny fahamarinana.
16
Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zavamiafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny Jentilisa*, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina ho any amin’ny voninahitra.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6