bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Amos 1
Amos 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 2 →
1
Tenin’i Amôsy, isan’ireo mpiandry ondry tao Tekôe. Izay hitany momba an’i Israely, tamin’ny andron’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany. Hoy izy:
2
Hierona avy ao Siôna i Iaveh; ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema Izy; ny tany fiandrasan’ny mpiandry ondry, hisaona; ary ny tampon’i Karmela, ho maina.
3
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Damasy, - ary noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria izy ireo nanorotoro an’i Galaada tamin’ny ambaràmbana vy,
4
dia handefaso afo ny tranon’i Hazaely ka handevona ny lapan’i Ben-Hadada izany.
5
Homontsaniko ny hidin’i Damasa, haringako ny mponina ao Bikata Avena, ny mitana ny tehim-panjakana any Bet-Edena; ary hoentina babo ho any Kira ny vahoaka any Siria,» hoy i Iaveh.
6
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Gazà, - sy noho ny efatra, - tsy hahemotro ny didy. Satria olona babo an’andiany mihitsy no nentiny nataony sesitany mba hatolony ho any Edôma,
7
dia handefa ny afo anatin’ny mandan’i Gazà Aho ka handevona ireo lapany izany;
8
haringako ny mponina rehetra ao Azota, sy izay mitana tehim-panjakana ao Askalôna; dia hafotitro amin’i Akarôna indray ny tanako; ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina,» hoy ny Tompo Iaveh.
9
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Tira - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy, satria nanolotra olona babo an’andiany mihitsy ho any Edôma izy, fa tsy nahatsiaro fanekem-pirahalahiana,
10
dia handefa ny afo ao ambonin’ny mandan’i Tira Aho, ka handevona ireo lapany izany.»
11
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Edôma, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy, fa namono ny fangoraham-po ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,
12
dia handefa afo ho ao Temàna Aho ka handevona ny lapan’i Bôsrà izany.»
13
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’ny taranak’i Amôna, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka teo Galaada, mba hanitarany ny faritaniny,
14
hampirehitra afo ao ambonin’ny mandan’i Rahaba Aho, ka handevona ny lapany izany, eo amin’ny akoran’ady toy ny amin’ny andro iadiana, sy eo amin’ny rivo-mahery mitambolimbolina amin’ny andron’ny tafio-drivotra.
15
Ary ho lasan-ko babo ny mpanjakany, dia izy sy ireo mpanapaka ao aminy koa», hoy i Iaveh.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9