bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Amos 8
Amos 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 9 →
1
Izao no nasehon’ny Tompo Iaveh tamiko: dia indreto voankazo masaka iray sobiky.
2
Ary hoy izy: «Inona no hitanao, ry Amôsy?» Dia hoy ny navaliko: «Voankazo masaka iray sobiky.» Ka hoy i Iaveh tamiko: «Tonga ny farany ho an’i Israely vahoakako: Tsy hamela azy intsony Aho, izao sisa izao.
3
Amin’izany andro izany, ny hira ao an-dapa ho zary finaonaonana - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Ny faty ho betsaka, ary hazera hatraiza hatraiza amim-panginana ireny.»
4
Mihainoa izao ianareo mihinana ny mahantra, sy mitady hamongotra ny mavomavo amin’ny tany,
5
manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana; mba hahazoantsika mivarotra vary; ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary, ka ny efaha hohakelezina, ny sikla hampitomboina; ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana.
6
Dia hovidintsika vola ny fadiranovana, ary ny mahantra, noho ny amin’ny kapa iray lomisy, sady hivarotantsika ny vary loha-kororòka?
7
Efa nianiana tamin’ny reharehan’i Jakôba i Iaveh: Raha hohadinoiko mandra-piavin’ny farany, izay rehetra nataon’izy ireo.
8
Noho izany, tsy hihorohoro va ny tany, ary tsy hisaona va ny mponina rehetra eo aminy? Hisondrotra tahaka an’i Nila ny tany manontolo, hisondrotra sy hietry tahaka an’i Nilan’i Ejipta izy.
9
Amin’izany andro izany, izao no hitranga, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Ny masoandro halentiko mitatao vovonana; ary ny tany hosaronako haizina amin’ny andro tony tsara.
10
Ny fetinareo hampodiko ho fisaonana; ny hira fifalianareo, ho fitomaniana; ny andilana rehetra hosikinako lasàka, ny loha rehetra hataoko sola; ny tany hataoko hoatra ny misaona zanaka lahy tokana; ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy.
11
Indro tamy ny andro, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - hanirahako hanoanana amin’ny tany; tsy mba hanoanana momba ny mofo, na hetaheta momba ny rano, fa ny faniriana te-handre ny tenin’i Iaveh.
12
Dia hirenireny hatrany amin’ny ranomasina, ka hatrany amin’ny ranomasina izy ireo, hatrany amin’ny avaratra, ka hatrany amin’ny atsinanana; hivezivezy atsỳ arỳ, hitady ny tenin’i Iaveh, nefa tsy hahita izany izy ireo.
13
Amin’izany andro izany, dia ho reraka ny virjiny tsara tarehy, mbamin’ny tovolahy, azon’ny hetaheta.
14
Ry zareo, mianiana amin’ny fahotan’i Samaria, ka manao hoe: Amin’ny Andriamanitrareo, ry Dàna! Amin’ny lalan’i Bersabea! dia samy ho lavo tsy haharina intsony.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9