bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Amos 3
Amos 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 4 →
1
Henoy izao teny izao notononin’i Iaveh ny aminareo, ry zanak’i Israely, ny amin’ny fianakaviana rehetra nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, - dia ireto hoe:
2
Ianareo irery no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany; ka izany no hamaizako anareo noho ny helokareo rehetra.
3
Miara-mandeha va ny olona roa, raha tsy efa nifanaiky izy?
4
Mierona any an’ala va ny liona, raha tsy efa nahazo remby? Maneno any an-davany va ny feon’ny liona tanora, raha mbola tsy nahazo na inona na inona akory?
5
Latsaka amin’ny fandrika eo amin’ny tany va ny fody, raha tsy misy hanim-pandrika ho azy ao? Moa miainga avy eo amin’ny tany va ny fandrika, raha tsy efa nahazo zavatra izy?
6
Trômpetra va no haneno ao an-tanàna, ka tsy hivadi-po ny vahoaka? Misy loza tonga amin’ny tanàna va, raha tsy i Iaveh no nahatonga izany?
7
Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh, raha tsy efa nanambara ny heviny miafina tamin’ny mpaminany mpanompony.
8
Efa nierona ny liona, ka zòvy no tsy hatahotra? Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?
9
Ampandreneso eo ambonin’ny lapan’i Azota izao teny izao, ary eo ambonin’ny lapan’ny mpanjakan’i Ejipta koa, ka ataovy hoe: «Miangòna any an-tendrombohitr’i Samaria ianareo, ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy, sy izato fahasiahana ao anatiny.»
10
Ary tsy mahay manaraka ny hitsiny izy ireo, - teny marin’i Iaveh, - dia ireo izay mampiavosa ny fahasiahana amam-pandrobana ao anatin’ny lapany.
11
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: «Inty ny fahavalo, manodidina ny tany izy, ka ny herinao hendahany aminao; ary ny lapanao ho voaroba.»
12
Izao no lazain’i Iaveh: «Toy ny fanatsoakan’ny mpiandry ondry, avy eo am-bavan’ny liona ny ranjo roa na tendron-tsofina iray, no famonjy ny zanak’i Israely izay mipetraka ao Samaria, eo an-joron’ny sezabe, eo ambonin’ny ondana avy any Damasy.»
13
Mihainoa ianareo ka lazao marina eny amin’ny taranak’i Jakôba, - teny marin’ny Tompo Iaveh, Andriamanitry ny tafika: -
14
Amin’ny andro hamaliako an’i Israely noho ny fandikany ny lalàna, no hamaliako ny momba an’ireo ôtely ao Betela koa; hokapaina ny tandroky ny ôtely ka hianjera amin’ny tany.
15
Hasiako ny trano ririnina aman-trano fahavaratra; hosimbana ny trano ivoara ary horavàna ny trano maro - teny marin’i Iaveh. -
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9