bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Amos 2
Amos 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 3 →
1
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Moaba, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nodorany ny taolan’ny mpanjakan’i Edôma, nataony zary sokay,
2
dia handefa ny afo ho ao amin’i Moaba Aho, ka handevona ny lapan’i Kariota izany; ary i Moaba ho faty ao anatin’ny tabataba be, sy ny akoran’ady, mbamin’ny feon-trômpetra.
3
Hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy ary hovonoiko miaraka aminy avokoa ny mpifehy ao aminy,» hoy i Iaveh.
4
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Jodà, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanary ny lalàn’i Iaveh izy, sady tsy nitandrina ny didiny, ka nety havilivilin’ny sampin-daingany, dia ireo izay narahin’ny razany,
5
dia handefa ny afo ho ao amin’i Jodà Aho ka handevona ny lapan’i Jerosalema izany.»
6
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Israely - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria namidiny vola ny marina; ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy;
7
satria iriny mafy ny hahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny olona ory; sy ataony izay hiketrahan’ny lalan’ny madinika; satria olo-mianaka izy samy mandeha amin’ny zazavavy iray ihany mba handotoany ny Anarako masina;
8
satria lamba azony tamin’ny tsatòka no iamparany eny anilan’ny ôtely rehetra eny; ary ny divay avy amin’izay nosaziny lamandy no sotroiny ao an-tranon’ny andriamaniny.
9
Teo anoloan’izy ireo anefa no nandringanako ny Amôreana izay avo be hoatra ny sedera, sy matanjaka hoatra ny oaka. Noravako avokoa ny voany teny ambony, sy ny fakany teo ambany.
10
Nitondra anareo niakatra avy any amin’ny tany Ejipta anefa Aho, sy nitari-dalana anareo, efapolo taona, tany an’efitra, mba hametrahako anareo ho tompon’ny tanin’ny Amôreana.
11
Nanangana mpaminany, tamin’ireo zanaka lahinareo Aho, sy nazareanina tamin’ireo zatovonareo, sa tsy izany va, ry zanak’i Israely?» - teny marin’i Iaveh. -
12
«Kanjo ny nazareanina nampisotroinareo divay; ary ny mpaminany, nomenareo didy hoe: Aza maminany!
13
Indro Aho efa hanosihosy anareo, hoatra ny fanosihosin’ny sarety raha feno amboara.
14
Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra; ary ny matanjaka, tsy hahavonjy ny ainy;
15
ary ny mpahay tsipìka tsy hahatohitra; ary ny faingan-tongotra, tsy ho afa-mitsoaka; ary ny mpitaingin-tsoavaly, tsy hahavonjy ny ainy.
16
Ary ny mahery fo amin’ny mahery handositra miboridana amin’izany andro izany», - teny marin’i Iaveh. -
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9