bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Amos 7
Amos 7
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 8 →
1
Izao no nasehon’ny Tompo Iaveh tamiko, dia indro Izy fa namorona valala, tamin’ny fotoana vao itsimohan’ny kolokolo, dia ny kolokolo avy nijinjana ho an’ny mpanjaka.
2
Nony tapitra lanin’ireny avokoa ny ahitra amin’ny tany, dia hoy aho: «Ry Tompo Iaveh ô, mba mamelà heloka! Ahoana no haharetan’i Jakôba? fa kely izy.»
3
Ary nanenina amin’izay i Iaveh. «Tsy hisy izany» hoy i Iaveh.
4
Izao no nasehon’ny Tompo Iaveh tamiko: dia indro tonga i Iaveh hanasazy amin’ny afo, dia nandevona ny hantsana lehibe ny afo, sy nandevona ny anjara-lovan’ny Tompo.
5
Ka hoy aho: «Mba mitsahara, ry Tompo Iaveh ô! Ahoana no haharetan’i Jakôba? fa kely izy.»
6
Nanenina i Iaveh. «Tsy hisy izany koa,» hoy ny Tompo Iaveh.
7
Izao no nasehon’i Iaveh tamiko: dia indro fa nitsangana teo ambonin’ny rindrina mijoro ny Tompo ary nisy hofehy pilao teny an-tanany.
8
Hoy i Iaveh tamiko: «Inona no hitanao, ry Amôsy?» Ka namaly aho hoe: «Kofehy pilao». Dia hoy ny Tompo: «Indro Aho manisy ny kofehy pilao, eo amin’i Israely vahoakako; fa tsy hamela ny helony intsony.
9
Ny fitoerana avon’i Isaaka ho foanana; ny fitoera-masin’i Israely horavana; ary hitsangana hamely ny taranak’i Jerôbôama amin’ny sabatra Aho.»
10
Ary i Amasiasa, mpisorona ao Betela, naniraka hilaza amin’i Jerôbôama, mpanjakan’i Israely hoe: «Mitetika ny hikomy aminao eo amin’ny taranak’i Israely i Amôsy; tsy zakan’ny tany intsony ny teniny rehetra.
11
Satria izao no tenin’i Amôsy: ‹I Jerôbôama ho fatin’ny sabatra; ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.› »
12
Dia hoy i Amasiasa tamin’i Amôsy: «Ry mpahita ô, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Jodà, ka any ianao no mihinàna hanina; any ianao no maminania.
13
Fa aza maminany atỳ Betela intsony, satria fitoera-masin’ny mpanjaka ny atỳ, ary tranom-panjakana.»
14
Izao no navalin’i Amôsy an’i Amasiasa: «Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany; fa mpiandry omby sy mpamboly aviavy.
15
Ary nalain’i Iaveh tany aorian’ny biby fiompy aho, dia nataon’i Iaveh tamiko hoe: ‹Mandehana ianao, maminany any amin’i Israely vahoakako.›
16
Koa ankehitriny, mihainoa ny tenin’i Iaveh ianao: Hoy ianao hoe: ‹Aza maminany ny hamelezana an’i Israely; ary aza miteny ny hamelezana ny taranak’i Isaaka!...›
17
Koa izao no lazain’i Iaveh: ‹Ny vadinao hovetavetaina ao an-tanàna; ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ho lavon-tsabatra; ny taninao, hozaraina amin’ny famolaina, ary ianao ho faty eo amin’ny tany maloto; ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.› »
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9