bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Amos 6
Amos 6
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 7 →
1
Mila loza ireo mandry feizay ao Siôna, sy mitoetra matoky ao an-tendrombohitr’i Samaria; dia ireo malaza indrindra amin’ilay firenena, lohan’ny firenena, ireo izay hatonin’ny taranak’i Israely!
2
Miampità ho any Kalne ianareo ka zahao; avy ao dia mankanesa any Hamata ilay lehibe: midìna koa any Geta ao amin’ny Filistinina: moa miadana noho ireto fanjakana ireto va ireo tanàna ireo, ary lehibe noho ny anareo va ny tanin’izy ireo?
3
Ianareo manao ny andro mahory ho mbola lavitra ary mampanatona ho akaiky ny fanjakan’ny fahasiahana!
4
Mandrimandry eo ambony farafara ivoara izy ireo; sy mivalandotra eo amin’ny sofàny; mihinana ny zanak’ondry avy amin’ny andian’ondry izy ireo, sy ny zanak’omby voafahy ao an-tranon’omby.
5
Mandihindihy manaraka ny feon-dokanga izy; namorona zava-maneno, toa an’i Davida.
6
Kôpy lehibe no isotroany divay; diloilo manitra faran’izay tsara no ihosorany; ary tsy mankararirary azy akory ny loza manjò an’i Josefa.
7
Koa ho lasa izy ireo hatao sesitany ho lohan’ny lasan-ko babo; ary tsy hisy intsony ny hobim-pifalian’ireo mpanaram-batana ireo.
8
Efa nianiana tamin’ny Tenany, ny Tompo Iaveh, - teny marin’i Iaveh Andriamanitry ny tafika. - Tsy tiako mainty ny avonavon’i Jakôba, ary halako ny lapany; ka hatolotro mbamin’izay rehetra ao aminy ny tanàna.
9
Ary raha misy folo lahy no sisa ao amin’ny trano iray, dia ho faty ireo.
10
Ho tonga ny havany anankiray mbamin’izay mandoro ny faty, ka hitondra ny faty, dia hoesoriny ny taolam-paty, hiala ao an-trano; ary ny anankiray hilaza amin’izay ao amin’ny faran’ny trano: Mbola misy ihany va ato miaraka aminao? ka holaviny hoe: Tsy misy olona intsony! Dia hataon’ilay voalohany hoe: Mangìna! Fa tsy tokony hotononina ny Anaran’i Iaveh.
11
Satria, indro i Iaveh fa efa mandidy, ka nampianjerany trano lehibe ho rava foana, ary ny madinika ho montsana.
12
Moa ny vatolampy ihazakazahan’ny soavaly, na ampiasana ny omby va izany? no dia navadikareo ho poizina ny hitsiny, ary ho abisinta ny vokatry ny rariny.
13
Dia mifaly ianareo amin’izay zava-poana; ianareo manao hoe: «Tsy tamin’ny herinay va, no nahazoanay fahefana?»
14
Fa indro hanangana hamely anareo Aho, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika - hanangana firenena anankiray hampahory anareo, hatrany amin’ny hadilalan’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’ny efitra.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9