bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Esther 2
Esther 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 3 →
1
Taorian’izany, rehefa nionona ny fahatezeran’ny amperôra Kserksesa, dia nahatsiaro izay efa nataon’i Vastỳ sy izay tinapaka ny aminy izy.
2
Ka hoy ireo tandapa mpanompon’ny amperôra hoe: –Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny sady tsara tarehy!
3
Anendreo olona any amin’ny faritany isan-tokony eran’ny fanjakanao, dia aoka ireo no hamory ny tovovavy virijiny sady tsara tarehy ho atỳ Sosany renivohitra. I Hegay, tandapa mpiandraikitra ny tranom-behivavy, no hitandrina azy sady hanome ny fitaovana hikarakarany tena;
4
ka izay tovovavy sitrakao no ho mpanjakavavy solon’i Vastỳ. Sitraky ny amperôra izany torohevitra izany ka dia narahiny.
5
Nisy Jiosy anankiray nantsoina hoe Môrdôkay tao Sosany renivohitra; izy io dia lehilahy benjaminita zanak’i Jaîro, izay taranak’i Simehỳ sy i Kisy.
6
Anisan’ireo nobaboin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izy, ka nentiny avy tany Jerosalema niaraka tamin’i Jekônià mpanjakan’i Joda.
7
Nitaiza an’i Hadasà (na hoe Estera) zanakavavin’ny rahalahin-drainy izy. Soa sady tsara tarehy razazavavy ary rehefa maty irainy sy ireniny, dia natsangan’i Môrdôkay ho zanany.
8
Nony tafaely ny didy aman-dalànan’ny amperôra, dia tovovavy maro no voavory tao Sosany renivohitra mba hiandraiketan’i Hegay. Anisan’ireo nentina ho ao an-dapan’ny amperôra koa i Estera ka niandraiketan’i Hegay mpitandrina ny vehivavy.
9
Nahazo fanambinana teo anatrehan’i Hegay i Estera, satria nahafinaritra azy ny toetran-drazazavavy: nomeny faingana azy ny fitaovana hikarakarany tena sy ny anjara sakafony ary koa mpanompovavy fito izay voafantina manokana avy tao an-dapa; dia nafindrany ho ao amin’ny efitra tsara indrindra tao amin’ny tranom-behivavy izy sy ireo mpanompovaviny.
10
Tsy nolazain’i Estera ny fireneny na firazanany, satria nopeperan’i Môrdôkay izy mba tsy hilaza izany.
11
I Môrdôkay kosa nitsangantsangana isan’andro teo anoloan’ny kianjan’ny tranom-behivavy mba hahafantarany ny toe-pahasalaman’i Estera sy izay anaovan’ny olona azy.
12
Nandritra ny herintaona, ireto tovovavy ireto dia nanaraka ny fomba fikarakaran-tena sahaza ny vehivavy, ka enim-bolana notrorina menaka misy miora ary enim-bolana notrorina ilomanitra sy zavatra isan-karazany fampiasam-behivavy. Rehefa tapitra izany herintaona izany, dia mandeha tsirairay any amin’ny amperôra Kserksesa ireo tovovavy.
13
Nony miala ny tranom-behivavy mba hiditra ao an-dapa razazavavy, dia nomena azy ny zavatra rehetra nilainy;
14
ny hariva izy no mandeha any amin’ny amperôra, ary ny ampitso maraina kosa lasa mankao amin’ilay trano faharoa fitoeram-behivavy, iandraiketan’i Sahasgaza tandapa mpitandrina ny vaditsindranon’ny amperôra. Tsy mba miverina any amin’ny amperôra intsony ireto vehivavy ireto, afa-tsy raha irin’ny amperôra ka tononony anarana.
15
Indray andro, dia anjaran’i Estera zanakavavin’i Abihaîla rahalahin-drain’i Môrdôkay sady zanaka natsangan’i Môrdôkay rahateo ny mandeha any amin’ny amperôra. Tsy nila na inona na inona razazavavy, afa-tsy izay natoron’i Hegay tandapa mpitandrina ny vehivavy; kanefa i Estera dia nahazo fitia teo imason’ny olona rehetra nahita azy.
16
Nentina hankao an-dapa ho any amin’ny amperôra izy tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Kserksesa, volana fahafolo na volana Tebeta.
17
Naharaiki-pitia ny amperôra mihoatra noho ny vehivavy hafa i Estera; ka tamin’ireo tovovavy rehetra ireo, dia izy no nahazo fitia sy fanambinana teo anatrehan’ny amperôra. Ary nosatrohan’i Kserksesa ny satroboninahi-piandrianana izy sady nambarany ho mpanjakavavy hisolo an’i Vastỳ.
18
Dia nanao fanasana ny amperôra ho fanomezam-boninahitra an’i Estera ka niantso izay rehetra andriambaventiny sy mpandraharahany izy. Nisy hetra nofoanany ho an’ireo mponina isam-paritra eran’ny fanjakany sady nisy fanomezana be nataony, satria nalala-tanana tokoa izy.
19
Dia nisy famoriana tovovavy fanindroany, ka tamin’izay i Môrdôkay efa mpiasam-panjakana tao an-dapan’ny amperôra.
20
I Estera kosa tsy nilaza ny firazanany na fireneny araka ny nameperan’i Môrdôkay azy; satria nankatoavin’i Estera hatrany ny tenin’i Môrdôkay tahaka ny fony izy mbola notezainy ihany.
21
Tamin’izany andro izany, raha nanao ny asam-panjakana tao an-dapa i Môrdôkay, dia tezitra tamin’i Kserksesa i Bigtana sy i Taresa anisan’ny tandapa mpiambina teo am-baravaran’ny efitranon’ny amperôra; ka nitady hamono an’i Kserksesa izy roa lahy.
22
Fantatr’i Môrdôkay io tetika io ka nambarany tamin’i Estera mpanjakavavy izay nampita izany tamin’ny amperôra kosa, ho filazana avy amin’i Môrdôkay.
23
Rehefa nofotorana izany zavatra izany, dia hita fa marina; ka dia nahantona tamin’ny hazo izy roa lahy. Ary teo anatrehan’ny amperôra no nanoratana izany raharaha izany tao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo amperôra.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10