bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Esther 5
Esther 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 6 →
1
Rehefa tapitra ny andro fahatelo nifadian-kanina, dia nitafy ny fanamiana maha mpanjakavavy azy i Estera ka niseho teo amin’ny kianja anatin’ny lapa, teo anoloan’ny efitranon’ny amperôra. Tamin’izay ny amperôra dia tao an-dapa sady nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany, tandrifin’ny varavarana fidirana.
2
Nony hitan’ny amperôra nitsangana teo an-kianja i Estera mpanjakavavy, dia nahazo fitia teo imasony ka notondroiny tamin’ny tehim-bolamena izay teny an-tanany; dia nanatona kosa i Estera ka nanendry ny loha-tehina,
3
ary nanontanian’ny amperôra hoe: –Maninona ianao, ry Estera mpanjakavavy? Inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany.
4
Dia novalian’i Estera hoe: –Raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka ianao miaraka amin’i Hamàna anio ho tonga amin’ny fanasana izay efa nomaniko ho anao.
5
Koa nampanantsoin’ny amperôra faingana i Hamàna mba hanaiky ny fiangavian’i Estera. Dia nankao amin’ny fanasana izay efa nomanin’i Estera ny amperôra mbamin’i Hamàna.
6
Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy ny amperôra tamin’i Estera: –Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany.
7
Dia namaly i Estera ka nanao hoe: –Ny angatahiko sy tadiaviko ve?
8
Izao no izy, ry andriamanjaka: raha mba mahazo fitia eo imasonao aho, ka sitrakao ny hanome izay angatahiko sy hanatanteraka izay tadiaviko, dia aoka ianao miaraka amin’i Hamàna ho tonga amin’ny fanasana izay homaniko ho anao rahampitso; amin’izay aho no hamaly ny fanontanianao.
9
Tamin’io andro io i Hamàna dia nivoaka ny tranon’i Estera tamin-kafaliana sy haravoam-po. Saingy, teo am-bavahadin’ny lapa, rehefa hitan’i Hamàna fa tsy mba nitsangana na niraika teo anatrehany akory i Môrdôkay, dia feno fahatezerana taminy izy.
10
Kanefa nanindry fo ihany i Hamàna ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka olona izy haka ireo sakaizany sy i Zeresa vadiny.
11
Ary nambaran’i Hamàna tamin’ireo ny hareny miavosa sy ny zanany maro mbamin’ny voninahitra rehetra nomen’ny amperôra azy ka nanandratany azy ho ambonin’ireo andriambaventy sy mpandraharaha.
12
Dia hoy koa i Hamàna hoe: –I Estera mpanjakavavy aza dia tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin’ny amperôra ho amin’ny fanasana izay efa nomaniny androany; ary mbola nasainy hiaraka amin’ny amperôra koa aho rahampitso.
13
Kanefa tsy mahafa-po ahy mihitsy izany rehetra izany, raha ny tenako no mbola mahita an’i Môrdôkay, ilay Jiosy, miasa eo am-bavahadin’ny lapa.
14
Dia hoy i Zeresa vadin’i Hamàna sy ireo sakaizany rehetra taminy: –Aoka ianao hampanamboatra hazo fanantonana ka ho 25 metatra ny haavony; ary raha maraina dia angataho amin’ny mpanjaka mba hahantona eo i Môrdôkay. Avy eo dia mandehana amin-kafaliana ianao miaraka amin’ny amperôra ho any amin’ny fanasana. Ary sitrak’i Hamàna izany hevitra izany ka dia nampanamboariny tokoa ilay hazo.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10