bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Esther 9
Esther 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 10 →
1
Nigadona ny andro faha-13 tamin’ny volana faha-12 na volana Adara. Io andro io no natao hampiharana ny teny aman-didin’ny amperôra ary nantenain’ireo fahavalon’ny Jiosy haharesena azy. Kanjo nivadika ny rasa, ka ny Jiosy indray no naharesy ny mpankahala azy.
2
Tany amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakan’ny amperôra Kserksesa, dia nivory tao an-tanànany avy ny Jiosy mba hamely izay nitady hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahatohitra azy, satria nanindry ny olona rehetra ny fahatahorana azy.
3
Nanampy ny Jiosy koa ny mpitondra rehetra isam-paritany sy ny solotenan’ny amperôra ary ny governora mbamin’ny mpandraharaha, satria nanindry azy ny fahatahorana an’i Môrdôkay.
4
Ambony toerana tao an-dapa manko i Môrdôkay sady niely laza eran’ny faritany rehetra, satria nisondrotra hatrany ny lehilahy.
5
Nasian’ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany; nataony araka izay sitraky ny fony tokoa ireo mpankahala azy.
6
Tao Sosany renivohitra aza dia dimanjato lahy no maty naringan’ny Jiosy.
7
Novonoiny koa izy folo lahy zanak’i Hamàna, ilay zanakalahin’i Hamedatà sady fahavalon’ny Jiosy: dia ry i Parsandatà sy i Dalfôna ary i Aspatà, i Pôratà sy i Adalià ary i Aridatà, i Parmastà sy i Arisay ary i Ariday sy i Vaiezatà. Kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
11
Androtr’izay ihany dia nambara tamin’ny amperôra ny isan’ny voavono tao Sosany renivohitra.
12
Ary hoy ny amperôra tamin’i Estera mpanjakavavy: –Teto Sosany renivohitra aza dia dimanjato lahy no maty naringan’ny Jiosy, ankoatran’izy folo lahy zanak’i Hamàna; ka ho toy inona no nataony tany amin’ny faritany sisa? Kanefa raha mbola misy zavatra angatahinao sy tadiavinao, dia homeko anao sy hotanterahiko izany.
13
Dia hoy i Estera hoe: –Raha sitrakao, ry Andriamanjaka, dia aoka ny Jiosy eto Sosany homen-dalana hanao toy ny nataony androany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin’ny hazo ireo fatin’izy folo lahy zanak’i Hamàna!
14
Nasain’ny amperôra natao izany ary navoaka tao Sosany ny didy; ka dia nahantona izy folo lahy zanak’i Hamàna.
15
Dia nivory indray ny Jiosy tao Sosany iny andro faha-14 tamin’ny volana Adara iny ka namono olona telon-jato lahy tao an-tanàna. Kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
16
Ny Jiosy hafa, nonina tany amin’ny faritany isan-tokony manerana ny fanjakan’ny amperôra, dia nivory koa hiaro ny ainy, rehefa nigadona ny andro faha-13 tamin’ny volana Adara; afaka tamin’ny fahavalony izy ary 75 000 no matiny kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory. Ary nitsahatra izy tamin’ny andro faha-14 ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.
18
Fa ny Jiosy tao Sosany kosa nivory hamono fahavalo tamin’ny andro faha-13 sy faha-14; ary nitsahatra izy tamin’ny andro faha-15, ka dia io no nataony ho andro fanasana sy firavoravoana.
19
Koa, noho izany, ny Jiosy izay nitoetra tamin’ny tanàna madinika tany ambanivohitra dia nanao ny andro faha-14 amin’ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana ary fikoranana ka hifanateran-panomezana.
20
Dia nanoratra ny tantaran’izany zava-nitranga izany i Môrdôkay, ary nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin’ny faritany isan-tokony, na akaiky na lavitra, manerana ny fanjakan’ny amperôra Kserksesa.
21
Niangavian’i Môrdôkay ry zareo mba hankalaza isan-taona ny andro faha-14 sy faha-15 amin’ny volana Adara.
22
Ireo manko no andro nahafahan’ny Jiosy tamin’ny fahavalony, ary io no volana nampodiana ny alahelony ho fifaliana sy ny fisaonany ho fikoranana; dia hataony ho andro fanasana sy firavoravoana ireo andro ireo ka hifanaterany fanomezana sy hahafoizany zavatra ho an’ny mahantra.
23
Nanaraka izay nosoratan’i Môrdôkay ny Jiosy ary nandraikitra ho fanao izany fety efa nankalazainy indray mandeha izany.
24
Fa izao no voasoratr’i Môrdôkay: i Hamàna, zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga, dia fahavalon’ny Jiosy rehetra ka nihevitra handringana azy. Efa nanao ny antsapaka (atao hoe Porîma) izy mba hahafantarana ny fotoanandro hamelezany azy sy handringanany azy.
25
Saingy nankeo anatrehan’i Kserksesa i Estera, ka namoaka didy an-tsoratra ny amperôra mba hafotitra amin’i Hamàna ihany ny hevi-dratsy nokasainy hampiharina amin’ny Jiosy ary mba hahantona amin’ny hazo ny tenany sy ny zanany lahy.
26
Izany no iantsoana ireo andro ireo hoe «Porîma», avy amin’ny voambolana «Pora» izay midika hoe antsapaka. Ny zavatra rehetra izay raketin’io taratasy io ary koa izay hitan’ny Jiosy sy nihatra taminy
27
no nahatonga azy ireo hampijoro sy handraikitra izany fanao izany ho an’ny tenany sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy: dia ny hankalaza isan-taona ireo andro roa ireo araka ny voasoratr’i Môrdôkay sy araka ny fotoana voatendry.
28
Tsy maintsy hotsarovana sy hankalazaina ireo andro ireo amin’ny taranaka mifandimby rehetra isam-pianakaviana sy isan-tanàna ary isam-paritany; tsy azo foanana ireo andro Porîma ireo ary tsy hitsahatra ny fahatsiarovana azy eo amin’ny Jiosy sy ny taranany.
29
I Estera, mpanjakavavy sady zanak’i Abihaîla, ary koa i Môrdôkay ilay Jiosy dia nanoratra fanindroany tamim-pahefana tokoa mba hanamafy izany taratasy momba ny Porîma izany.
30
Io taratasy faharoa io dia nalefa ho an’ny Jiosy rehetra any amin’ny faritany 127 manerana ny fanjakan’i Kserksesa. Firariana hiadana sy handry fahalemana no raketiny;
31
ary ireo andro Porîma ireo, miaraka amin’ny fifadian-kanina sy fidradradradràna momba azy, no asainy ankalazaina amin’ny fotoana voatendry, araka izay fanamafisana nataon’i Môrdôkay ilay Jiosy sy i Estera mpanjakavavy; nohamafisin’izy mianaka izany ho an’ny Jiosy ary koa ho an’ny taranany.
32
Ny baikon’i Estera no nampijoro ireo zavatra fanao amin’ny Porîma ireo, ary voasoratra tao amin’ny boky izany.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
Recommended Reading
Commentary
Esther Commentaries
→
Devotional
Esther Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→