bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Esther 6
Esther 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 7 →
1
Tsy nahita tory ny amperôra tamin’iny alina iny ka nampaka ny boky fitadidiana milohateny hoe Asan’ireo amperôra; ary novakîna teo anatrehan’ny amperôra izany.
2
Ka hita voasoratra tao fa i Môrdôkay no nanambara ny amin’i Bigtana sy i Taresa, roa lahy anisan’ny tandapan’ny amperôra, dia ireo mpiambina teo am-baravaran’ny efitranony kanefa nitady hamono an’i Kserksesa.
3
Ary hoy ny amperôra hoe: –Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an’i Môrdôkay noho izany? Fa novalian’ireo mpanompo mpikarakara ny amperôra hoe: –Tsy mbola nisy nomena azy.
4
Ary hoy indray ny amperôra hoe: –Iza no ao an-kianja ao? I Hamàna kosa no efa sendra niditra tao an-kianja. Tonga izy hangataka amin’ny amperôra ny hanantonana an’i Môrdôkay amin’ilay hazo efa nomanina ho azy.
5
Ka hoy ny mpanompon’ny amperôra hoe: –Indro fa i Hamàna no mitsangana ao an-kianja ao. Ary hoy ny amperôra hoe: –Asaovy miditra izy.
6
Dia niditra i Hamàna ka nanontanian’ny amperôra hoe: –Inona no tokony hataoko amin’izay lehilahy iriko homem-boninahitra? Nihevitra anakampo i Hamàna fa tsy misy irin’ny amperôra homem-boninahitra afa-tsy ny tenany,
7
ka dia namaly azy hoe: –Ny amin’izay lehilahy irinao homem-boninahitra, ry andriamanjaka,
8
dia aoka halaina ny fanamiam-piandrianana efa niakanjoanao sy ny soavaly efa nitaingenanao sady voaisy satroboninahitra ny lohany.
9
Hatolotra ny anankiray amin’ireo andriambaventy voatendrinao izany fanamiana sy soavaly izany; ary aoka izay lehilahy irinao homem-boninahitra hampiakanjoiny ny fanamianao sy hampitaingeniny amin’ny soavalinao. Dia io andriambaventy io ihany no hitondra azy eny an-kianjan’ny tanàna sady hiantso eo alohany hoe: «Toy izao no ataon’ny amperôra amin’izay lehilahy iriny homem-boninahitra!»
10
Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hamàna: –Alaonao faingana àry ny fanamiana sy ny soavaly araka ny voalazanao; ka dia ataovy araka izany amin’i Môrdôkay, ilay Jiosy miasa eo am-bavahadin’ny lapa. Aza asiana latsaka izay rehetra voalazanao.
11
Dia naka ny fanamiana sy ny soavaly i Hamàna, ka nampiakanjo an’i Môrdôkay ny fanamiana ary nampitaingina azy tamin’ny soavaly; dia izy ihany no nitondra azy ho eny an-kianjan’ny tanàna sady niantso teo alohany hoe: «Toy izao no ataon’ny amperôra amin’izay lehilahy iriny homem-boninahitra!»
12
Ary niverina nankeo am-bavahadin’ny lapa i Môrdôkay; fa i Hamàna kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
13
Dia nitantaran’i Hamàna ny zavatra nanjo azy i Zeresa vadiny sy ny sakaizany rehetra mpanolotsaina azy ka niteny taminy hoe: –Raha taranaky ny Jiosy i Môrdôkay izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
14
Mbola niresaka amin’i Hamàna eo ry zareo no tonga ireo tandapa nirahin’ny amperôra ka nitondra faingana an’i Hamàna ho any amin’ny fanasana izay efa nomanin’i Estera.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
Recommended Reading
Commentary
Esther Commentaries
→
Devotional
Esther Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→