bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Esther 4
Esther 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 5 →
1
Nony fantatr’i Môrdôkay ny zava-drehetra nitranga, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy gony sady nihosin-davenona ary nankeo afovoan’ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy.
2
Tonga hatrany anoloan’ny lapa aza izy, saingy nijanona teo satria tsy azon’ny olona mitafy gony atao ny miditra ny lapa.
3
Tany amin’ny faritany rehetra nahatongavan’ny baiko aman-didin’ny amperôra, dia nalahelo mafy koa ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nitafy gony sy nandry teo ambony lavenona.
4
Tonga nilaza izany tamin’i Estera ireo mpanompovaviny. Dia nalahelo tokoa ity mpanjakavavy ka nampanatitra akanjo hitafian’i Môrdôkay mba hanesorany ny gony teny aminy; kanefa tsy nety nandray izy.
5
Ary nantsoin’i Estera i Hatàka, anisan’ireo tandapa tinendrin’ny amperôra hanompo azy; io Hatàka io no nalefan’ny mpanjakavavy ho any amin’i Môrdôkay mba hanontany azy ny zava-nitranga sy izay nahatonga azy hitafy gony.
6
Dia lasa i Hatàka nankany amin’i Môrdôkay izay teo an-kianjan’ny tanàna anoloan’ny lapan’ny amperôra;
7
ary nambaran’i Môrdôkay taminy avokoa ny zava-drehetra nanjo azy sy ny tontalim-bola nokasain’i Hamàna haloa ho ao an-trano firaketan’ny amperôra noho ny handringanana ny Jiosy.
8
Nomeny an’i Hatàka koa ny kopian’ny didy navoaka tao Sosany handringanana ny Jiosy; nasainy hampiseho izany amin’i Estera izy sy hampahafantatra azy ny toe-javatra ary hiangavy azy hankao amin’ny amperôra mba hifona aminy sy hangataka famindrampo ho an’ny fireneny.
9
Dia lasa i Hatàka nanambara ny tenin’i Môrdôkay tamin’i Estera;
10
fa mbola nirahin’ity mpanjakavavy indray izy hilaza amin’i Môrdôkay hoe:
11
«Ny olona rehetra, hatramin’ny mpanompon’ny amperôra sy sarambabem-bahoaka any amin’ny faritany aza, dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ny amperôra ho eo an-kianja anatin’ny lapa, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia lalàna tokana manameloka ho faty no mihatra aminy; izay hotondroin’ny amperôra amin’ny tehim-bolamena ihany no ho velona. Izaho kosa efa telopolo andro izay no tsy nantsoina hankao amin’ny mpanjaka.»
12
Rehefa nilazana ny tenin’i Estera i Môrdôkay,
13
dia izao no nasainy navaly azy: «Aza mihevitra anakampo fa ho afaka irery amin’ny Jiosy rehetra ianao satria monina ao an-dapa.
14
Raha hangina mihitsy ianao amin’ity toe-javatra ity, dia hisy fanampiana sy fanafahana hipoitra avy any an-kafa ho an’ny Jiosy; fa ianao no haringana ary ho lany tamingana ny fianakavianao. Ary iza no mahalala fa angamba ho amin’ity toe-javatra ity mihitsy no nanandratana anao ho mpanjakavavy?»
15
Izao kosa no nasain’i Estera navaly an’i Môrdôkay:
16
«Ndeha vorio àry ny Jiosy rehetra eto Sosany; dia manaova fifadian-kanina noho ny amiko ianareo, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro sy telo alina. Hifady hanina toy izany koa ny tenako sy ireo mpanompovaviko; avy eo dia hankao amin’ny amperôra aho, na dia tsy ara-dalàna aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia ho faty!»
17
Dia lasa i Môrdôkay nanao araka izay rehetra nandidian’i Estera azy.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
Recommended Reading
Commentary
Esther Commentaries
→
Devotional
Esther Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→