bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Nehemiah 10
Nehemiah 10
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 11 →
1
Noho ireo rehetra ireo dia manao fanekena mafy izahay ka soratanay izany ary asian’ny mpanapaka anay sy ny levitanay* ary ny mpisoronay tombo-kase eo aminy.
2
Ny nanisy tombo-kase dia i Nehemia governora zanak’i Hakalia, i Zedekia,
3
i Seraia, i Azaria, i Jeremia,
4
i Pasora, i Amaria, i Malkia,
5
i Hatosy, i Sebanaia, i Maloka,
6
i Harima, i Meremota, i Obadia,
7
i Daniela, i Ginetona, i Baroka,
8
i Mesolama, i Abia, i Miamina,
9
i Mazia, i Bilgay ary i Semaia; samy mpisorona ireo.
10
Ary ny levita dia i Josoa, zanak’i Azania, i Binoy isan’ny zanak’i Henadada ary i Kadmiela,
11
ary ny rahalahin’ireo dia i Sebania, i Hodia, i Kelita, i Pelaia, i Hanana,
12
i Mika, i Rehoba, i Hasabia,
13
i Zakora, i Serebia, i Sebania,
14
i Hodia, i Bany ary i Benino.
15
Ny loholona kosa dia i Parosy, i Pahata-Moaba, i Elama, i Zato, i Bany,
16
i Bony, i Azgada, i Bebay,
17
i Adonia, i Bigvay, i Adina,
18
i Atera, i Hezekia, i Azora,
19
i Hodia, i Hasoma, i Bezay,
20
i Harifa, i Anatota, i Nebay,
21
i Magpiasy, i Mesolama, i Hezira,
22
i Mesezabela, i Zadoka, i Jadoa,
23
i Pelatia, i Hanana, i Anaia,
24
i Hosea, i Hanania, i Hasoba,
25
i Halohesy, i Pila, i Sobeka,
26
i Rehoma, i Hasabna, i Mahaseia,
27
i Ahia, i Hanana, i Anana,
28
i Maloka, i Harima ary i Bana.
29
Ny olona sisa mbamin’ny mpisorona sy ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny Netinima* ary izay rehetra efa niavaka tamin’ny olona teo an-toerana mba hanaraka ny lalànan’Andriamanitra mbamin’ny vadin’ireo sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy, izay rehetra afaka mihaino,
30
dia samy nikambana tsara tamin’ny olo-manankaja rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalànan’Andriamanitra izay nampilazaina an’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra. Nianiana koa izy fa hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon’NY TOMPO Andriamanitsika mbamin’ny fitsipika sy ny lalànany;
31
tsy hanome ny zanakay vavy ho vadin’ny tompon-tany, na haka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakay lahy;
32
tsy hividy zavatra amin’ny andro Sabata*, na amin’izay andro masina hafa, raha misy entana na vary entin’ny tompon-tany hamidy amin’ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin’ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra.
33
Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny ampahatelon’ny sekela isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon’Andriamanitsika:
34
dia ho amin’ny mofo atao fanatitra mandrakariva avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ary ho amin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin’ny zava-masina sy ny fanatitra fanadiovana hanaovana fanavotana ho an’ny Israely; eny, hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon’Andriamanitsika.
35
Ary nanao antsapaka izahay ny amin’ny hanateran’ny mpisorona sy ny levita mbamin’ny vahoaka ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika araka ny fianakavianay avy amin’ny fotoanandro isan-taona, handoroana eo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin’ny lalàna,
36
ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO isan-taona isan-taona;
37
ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin’ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman’osinay, dia nekenay hoentina ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ho an’ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tranon’Andriamanitsika;
38
ary mba hitondranay ho an’ny mpisorona koa ny voalohan’ny kobanay voafetafeta sy ny fanomezanay, ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra, ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ny efitrano ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay dia ho an’ny levita; fa ny levita no mpandray ny fahafolonkarena eny an-tanàna rehetra akaikin’ny fambolenay.
39
Ary hisy mpisorona iray, taranak’i Arona, hiaraka amin’ny levita, raha mandray ny fahafolonkarena izy; ary ny ampahafolon’ny fahafolonkarena dia hoentin’ny levita miakatra ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ho ao amin’ny efitrano ao an-trano fitahirizana.
40
Fa ho ao amin’ireo efitrano ireo no hitondran’ny Zanak’Israely sy ny levita ny fanomezana, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin’ilay itoeran’ny fanaky ny fitoerana masina sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira. Tsy hahafoy ny tranon’Andriamanitsika izahay.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13