bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Nehemiah 7
Nehemiah 7
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 8 →
1
Nony vita ny manda ka voalatsako ny lelam-bavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny levita*,
2
dia notendreko i Hanany rahalahiko sy i Hanania, lehiben’ny tao an-dapa mba hitandrina an’i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
3
Koa hoy aho tamin’ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahafanan’ny andro; ary raha mbola mijanona eo ny mpiambina dia aoka harindriny ny varavarana ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin’izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin’ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin’ny tandrifin’ny tranony avy.
4
Malalaka sy lehibe moa ny tanàna, nefa vitsy olona sady tsy mbola vita ny trano.
5
Dia nomen’Andriamanitro hevitra aho hamory ny olo-manankaja sy ny mpanapaka mbamin’ny vahoaka mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan’izay niakatra voalohany ka izao no hitako voasoratra tao:
6
Ireto no lehilahy tamin’izany fari-piadidiana izany, izay niakatra avy tamin’ny fahababoana, dia ireo nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, nefa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
7
dia ny olona izay niaraka tamin’i Zerobabela, i Josoa, i Nehemia, i Azaria, i Ramia, i Nahamanỳ, i Mordekay, i Bilsana, i Mispereta, i Bigvay, i Nehoma ary i Bana: Ny isan’ny lehilahy tamin’ny Israely dia izao:
8
Ny taranak’i Parosy: Roa amby fitopolo amby zato sy roa arivo;
9
ny taranak’i Sefatia: Roa amby fitopolo sy telonjato;
10
ny taranak’i Ara: Roa amby dimampolo sy eninjato;
11
ny taranak’i Pahata-Moaba, avy tamin’ny zanak’i Josoa sy i Joaba: Valo amby folo sy valonjato sy roa arivo;
12
ny taranak’i Elama: Efatra amby dimampolo sy roanjato sy arivo;
13
ny taranak’i Zato: Dimy amby efapolo sy valonjato;
14
ny taranak’i Zakay: Enimpolo sy fitonjato;
15
ny taranak’i Binoy: Valo amby efapolo sy eninjato;
16
ny taranak’i Bebay: Valo amby roapolo sy eninjato;
17
ny taranak’i Azgada: Roa amby roapolo sy telonjato sy roa arivo;
18
ny zanak’i Adonikama: Fito amby enimpolo sy eninjato;
19
ny taranak’i Bigvay: Fito amby enimpolo sy roa arivo;
20
ny taranak’i Adina: Dimy amby dimampolo sy eninjato;
21
ny taranak’i Atera, avy tamin’i Hezekia: Valo amby sivifolo;
22
ny taranak’i Hasoma: Valo amby roapolo sy telonjato;
23
ny taranak’i Bezay: Efatra amby roapolo sy telonjato;
24
ny taranak’i Harifa: Roa amby folo amby zato;
25
ny taranak’i Gibeona: Dimy amby sivifolo.
26
Ny mponina tany Betlehema sy Netofa: Valo amby valopolo amby zato;
27
ny mponina tany Anatota: Valo amby roapolo amby zato;
28
ny mponina tany Bety-Azmaveta: Roa amby efapolo;
29
ny mponina tany Kiriata-Jearima sy Kefira ary Berota: Telo amby efapolo sy fitonjato;
30
ny mponina tany Rama sy Geva: Iraika amby roapolo sy eninjato;
31
ny mponina tany Mikmasy: Roa amby roapolo amby zato;
32
ny mponina tany Betela sy Ay: Telo amby roapolo amby zato;
33
ny mponina tany amin’ilay Nebo iray: Roa amby dimampolo;
34
ny zanak’ilay Elama iray: Efatra amby dimampolo sy roanjato sy arivo;
35
ny zanak’i Harima: Roapolo sy telonjato;
36
ny zanak’i Jeriko: Dimy amby efapolo sy telonjato;
37
ny zanak’i Loda sy i Hadida ary i Ono: Iraika amby roapolo sy fitonjato;
38
ny zanak’i Sena: Telopolo sy sivinjato sy telo arivo.
39
Ary ny mpisorona dia izao: Ny taranak’i Jedaia, avy tamin’ny fianakavian’i Josoa: Telo amby fitopolo sy sivinjato;
40
ny taranak’Imera: Roa amby dimampolo sy arivo;
41
ny taranak’i Pasora: Fito amby efapolo sy roanjato sy arivo;
42
ny taranak’i Harima: Fito amby folo sy arivo.
43
Ny levita* dia ireto: Ny zanak’i Josoa sy i Kadmiela avy tamin’ny zanak’i Hodva dia efatra amby fitopolo.
44
Ny mpihira dia izao: Ny taranak’i Asafa, valo amby efapolo amby zato.
45
Ny mpiandry varavarana dia izao: Ny taranak’i Saloma, ny taranak’i Atera, ny taranak’i Talmona, ny taranak’i Akoba, ny taranak’i Hatita, ny taranak’i Sobay: Valo amby telopolo amby zato.
46
Ny Netinima* dia izao: Ny taranak’i Ziha, ny taranak’i Hasofa, ny taranak’i Tabaota,
47
ny taranak’i Kerosa, ny taranak’i Sia, ny taranak’i Padona,
48
ny taranak’i Lebana, ny taranak’i Hagaba, ny taranak’i Salmay,
49
ny taranak’i Hanana, ny taranak’i Gidela, ny taranak’i Gahara,
50
ny taranak’i Reaia, ny taranak’i Rezina, ny taranak’i Nekoda,
51
ny taranak’i Gazama, ny taranak’i Oza, ny taranak’i Pasea,
52
ny taranak’i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
53
ny taranak’i Bakiboka, ny taranak’i Hakafa, ny taranak’i Harora,
54
ny taranak’i Bazilita, ny taranak’i Mehida, ny taranak’i Harsa,
55
ny taranak’i Barikosa, ny taranak’i Sisera, ny taranak’i Tema,
56
ny taranak’i Nezia, ny taranak’i Hatifa.
57
Ny taranaky ny mpanompon’i Solomona dia ireto: Ny taranak’i Sotahy, ny taranak’i Sofereta, ny zanak’i Perida,
58
ny taranak’i Jala, ny taranak’i Darikona, ny taranak’i Gidela,
59
ny taranak’i Sefatia, ny taranak’i Hatila, ny taranak’i Pokereta-Hazebaima, ny taranak’i Amona.
60
Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon’i Solomona dia roa amby sivifolo sy telonjato.
61
Ary izao ireo niakatra avy tany Tela-Mela, Tela-Harsa, Keroba, Adona ary Imera, fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin’ny Israely izy na tsia:
62
Ny taranak’i Delaia, ny taranak’i Tobia, ny taranak’i Nekoda: Roa amby efapolo sy eninjato.
63
Ny avy tamin’ny mpisorona dia izao: Ny taranak’i Hobaia, ny taranak’i Hakoza, ny taranak’i Barizilay; nampaka-bady avy tamin’ny zanakavavin’i Barizilay gileadita io ka notononina araka ny anarany.
64
Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, saingy tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ny fisoronana.
65
Ary nilaza ny governora fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan’izay mpisorona iray mitondra ny Orima sy Tomima*.
66
Ny tontalin’ny olona rehetra dia enimpolo sy telonjato sy roa arivo sy efatra alina,
67
afa-tsy ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny fito amby telopolo sy telonjato sy fito arivo; ary nanana mpihira lahy sy mpihira vavy dimy amby efapolo sy roanjato izy;
68
ny ramevany dia dimy amby telopolo sy efajato; ny borikiny dia roapolo sy fitonjato sy enina arivo.
69
Ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora dia nanome drakma* volamena arivo sy lovia famafazana dimampolo sy fanamian’ny mpisorona telopolo sy dimanjato ho kojakoja ho amin’ny hanaovana ny asa.
70
Ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana indray dia nanome drakma volamena roa alina sy volafotsy roanjato sy roa arivo mane* ho kojakoja ho amin’ny hanaovana ny asa.
71
Drakma volamena roa alina sy volafotsy roa arivo mane ary fanamian’ny mpisorona fito amby enimpolo no nomen’ny olona sisa.
72
Samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira sy ny sasany amin’ny vahoaka ary ny Netinima, mbamin’ny Israely rehetra. Ary rehefa tonga ny volana fahafito dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak’Israely.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13