bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Nehemiah 9
Nehemiah 9
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 10 →
1
Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’izany volana izany dia niangona ny Zanak’Israely sady nifady hanina no samy nanao akanjo fisaonana sy nihosin-tany.
2
Dia niavaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra ny taranak’Israely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.
3
Nitsangana teo amin’ny fitoerany avy indray izy dia namaky ny teny tao amin’ny bokin’ny lalànan’NY TOMPO Andriamaniny tamin’ny ampahefatry ny andro; ary tamin’ny ampahefatry ny andro koa dia nifona sy niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO Andriamaniny izy.
4
Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazon’ny levita* i Josoa, i Bany, i Kadmiela, i Sebania, i Bony, i Serebia, i Bany ary i Kenany ka nitaraina mafy tamin’ny Tompo Andriamaniny.
5
Ary hoy ny levita, dia i Josoa, i Kadmiela, i Bany, i Hasabnia, i Serebia, i Hodia, i Sebania ary i Petahia: Mitsangàna ka misaora NY TOMPO Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Isaorana anie ny anaranao malaza izay voasandratra ambonin’ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
6
Ianao dia Ianao irery ihany no TOMPO; Ianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny kintany rehetra, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Ianao no mamelona azy rehetra; ary ireo marobe any an-danitra dia samy miankohoka eo anatrehanao.
7
Ianao no TOMPO Andriamanitra izay nifidy an’i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran’ny Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama;
8
ary nahita ny fony nahatoky teo anatrehanao Ianao ka nanao ilay fanekena taminy hanome ho an’ny taranany ny tanin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Jebosita ary ny Girgasita; ary efa nahatanteraka ny teninao Ianao satria marina Ianao.
9
Nahita ny fahorian’ny razanay tany Ejipta koa Ianao sady nandre ny fitarainany teo amoron’ny Ranomasina Mena,
10
dia nanao famantarana sy fahagagana Ianao, tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin’ny olona rehetra tany amin’ny taniny; satria fantatrao fa nirehareha taminy ireo dia nanao anarana ho Anao Ianao tahaka ny amin’izao anio izao.
11
Ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany ka nandeha namakivaky teo afovoan’ny ranomasina nandia ny tany maina izy; ary ireo nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin’ny lalina tahaka ny vato amin’ny rano manonja.
12
Nitondra azy Ianao, tamin’ny andry rahona raha antoandro ary tamin’ny andry afo nony alina mba hampazava azy, hahitany izay lalana tokony halehany.
13
Nidina tao ambonin’ny tendrombohitra Sinay Ianao dia niteny taminy avy any an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fomba sy didy tsara.
14
Nampahalala azy ny Sabatanao masina Ianao ary i Mosesy mpanomponao dia nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy;
15
mofo avy tany an-danitra no nomenao azy raha noana izy; rano avy tamin’ny vatolampy no navoakanao hosotroiny raha nangetaheta izy; nilaza taminy Ianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanana homena azy izy.
16
Nefa niavonavona ireny razanay ireny ka nanamafy ny hatony ary tsy nihaino ny didinao;
17
nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka nikomy sady izay nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ny fahandevozany; kanefa Andriamanitry ny famelan-keloka Ianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindrampo ka tsy nahafoy azy.
18
Eny, nanao ilay ombilahy kely voarendrika izy ka nilaza hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, dia nampahasosotra Anao indrindra izy;
19
kanefa noho ny haben’ny famindramponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-tany efitra Ianao; ny andry rahona izay nitondra azy teny an-dalana dia tsy niala taminy raha antoandro, toy izany koa ny andry afo izay nampahazava azy nony alina dia hahitany izay lalana tokony halehany.
20
Ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny mananao tsy hohaniny Ianao sady nanome azy rano raha nangetaheta izy;
21
eny, efapolo taona no namelomanao azy tany an-tany efitra ka tsy nisy zava-mahory akory izy; tsy rovitra ny fitafiany ary tsy nivonto ny tongony.
22
Nanome azy fanjakana sy firenena maro Ianao ka voazaranao araka ny faritry ny taniny avy ireny; dia nahazo ny tanin’i Sihona sy ny tanin’ny mpanjakan’i Hesbona ary ny tanin’i Oga, mpanjakan’i Basana, izy.
23
Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sady noentinao ho amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany holovana.
24
Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin’ny mpanjakany sy ny vahoakan’ny fireneny hanaovany azy araka ny sitrapony.
25
Nahazo tanàna mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno ny zava-tsoa tsy hita isa sy lavaka famorian-drano voahady ary tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin’ny fahatsaranao lehibe.
26
Kanefa nandà izy sady nikomy Taminao ary nanary ny lalànanao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho Aminao ka nanao izay nahasosotra Anao indrindra izy.
27
Koa dia natolotrao ho eo an-tanan’ny fahavalony izay nampahory azy izy; kanefa tamin’ny andro fahoriany dia nitaraina Taminao izy ka nihaino azy tany an-danitra Ianao, ary araka ny haben’ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy ka namonjy azy tamin’ny tanan’ny fahavalony ireo.
28
Kanjo rehefa niadana izy dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tanan’ny fahavalony indray koa izy ka ireny no nifehy azy; dia nitaraina taminao indray izy ary nihaino azy tany an-danitra Ianao ka namonjy azy matetika araka ny haben’ny fiantranao.
29
Nananatra azy mafy Ianao hampiverenanao azy ho amin’ny lalànanao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao fa nandika ny fitsipikao; kanefa mahavelona ny olona mankatò azy izany; nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony izy ary tsy nety nihaino.
30
Nefa nandefitra nandritra ny taona maro taminy Ianao, ary ny Fanahinao, izay tao amin’ny mpaminaninao, no noentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, dia natolotrao ho eo an-tanan’ny firenena amin’ny tany hafa.
31
Nefa noho ny haben’ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Ianao.
32
Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindramponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpitondra anay, ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria ka mandraka androany.
33
Ianao no marina tamin’izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao fa izahay no nanao ratsy;
34
ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay, mbamin’ny mpisorona sy ny razanay, dia samy tsy nankatò ny lalànanao, samy tsy nihaino ny didinao sy ny teny vavolombelonao izay nananaranao azy mafy.
35
Fa tsy nanompo Anao teo amin’ny fanjakany izy na teo amin’ny haben’ny zava-tsoa nomenao azy na teo amin’ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany sady tsy niala tamin’ny ratsy fanaony koa.
36
Ankehitriny, indreto, andevo izahay izao, ary eto amin’ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;
37
mahavokatra be izy, kanefa ho an’ireo mpanjaka izay notendrenao hitondra anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, mifehy ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy ka azom-pahoriana mafy izahay.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13