bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Nehemiah 12
Nehemiah 12
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 13 →
1
Ny mpisorona sy ny levita* izay niara-niakatra tamin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy i Josoa dia i Seraia, i Jeremia, i Ezra,
2
i Amaria, i Maloka, i Hatosy,
3
i Sekania, i Rehoma, i Meremota,
4
Ido, i Ginetoy, i Abia,
5
i Miamina, i Madia, i Bilga,
6
i Semaia, i Joiariba, i Jedaia,
7
i Salo, i Amoka, i Hilkia ary i Jedaia. Ireo no lehiben’ny mpisorona sy ny rahalahiny tamin’ny andron’i Josoa.
8
Ny levita kosa dia izao: I Josoa, i Binoy, i Kadmiela, i Serebia, i Joda ary i Matania; izy ireo sy ny rahalahiny no tonian’ny fiderana.
9
I Bakibokia sy i Ono rahalahin’ireo dia nanandrify azy ireo araka ny anjara raharahany.
10
I Josoa dia niteraka an’i Joiakima; ary i Joiakima dia niteraka an’i Eliasiba; i Eliasiba dia niteraka an’i Joiada;
11
i Joiada dia niteraka an’i Jonatana; ary i Jonatana dia niteraka an’i Jadoa.
12
Tamin’ny andron’i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan’ny fianakaviana, koa ireto avy izy ireo: Ny avy tamin’i Seraia dia i Meraia; ny avy tamin’i Jeremia dia i Hanania;
13
ny avy tamin’i Ezra dia i Mesolama; ny avy tamin’i Amaria dia i Johanana;
14
ny avy tamin’i Meliko dia i Jonatana; ny avy tamin’i Sebania dia i Josefa;
15
ny avy tamin’i Harima dia i Adna; ny avy tamin’i Meraiota dia i Helkay;
16
ny avy tamin’Ido dia i Zakaria; ny avy tamin’i Ginetona dia i Mesolama;
17
ny avy tamin’i Abia dia i Zikry; ny avy tamin’i Miniamina; ny avy tamin’i Moadia, dia i Piltahy;
18
ny avy tamin’i Bilga dia i Samoa; ny avy tamin’i Semaia dia i Jonatana;
19
ny avy tamin’i Joariba dia i Matenay; ny avy tamin’i Jedaia dia i Ozy;
20
ny avy tamin’i Salay dia i Kalay; ny avy tamin’i Amoka dia i Ebera;
21
ny avy tamin’i Hilkia dia i Hasabia; ary ny avy tamin’i Jedaia dia i Netanela.
22
Tamin’ny andron’i Eliasiba, i Joiada, i Johanana ary i Jadoa dia voasoratra ho lohan’ny fianakaviany ny levita; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin’ny nanjakan’i Dariosy persiana.
23
Ny taranak’i Levy, lohan’ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantara hatramin’ny andron’i Johanana, zanak’i Eliasiba.
24
Ary ny lehiben’ny levita dia i Hasabia sy i Serebia ary i Josoa zanak’i Kadmiela, mbamin’ny rahalahin’ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra isan-tokony; araka ny didin’i Davida, lehilahin’Andriamanitra.
25
I Matania, i Bakbokia, i Obadia, i Mesolama, i Talmona sy i Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana teo amin’ny trano fitahirizan-drakitra.
26
Ireo no tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josoa, zanak’i Jozadaka, sy tamin’ny andron’i Nehemia governora sy i Ezra mpisorona sady mpanoradalàna.
27
Rehefa hotokanana ny mandan’i Jerosalema dia notadiavina avy tamin’ny fonenany rehetra ny levita* mba hoentina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin’ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
28
Dia niangona ny mpihira avy tamin’ny tany lemaka manodidina an’i Jerosalema sy ny avy tamin’ny vohitry ny Netofatita
29
ary i Bety-Gilgala sy ny sahan’i Geba ary Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an’i Jerosalema ny mpihira.
30
Ary samy nanadio ny tenany ny mpisorona sy ny levita, nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.
31
Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ny manda ny mpanapaka ny Joda ary nanendry antoko mpihira roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny iray dia nandeha tamin’ny ankavanana teo ambonin’ny manda ho amin’ny vavahadin-jezika;
32
nandeha taorianan’izy ireo i Hosaia sy ny antsasaky ny olo-manankaja amin’i Joda,
33
dia i Azaria, i Ezra, i Mesolama
34
i Joda, i Benjamina, i Semaia ary i Jeremia,
35
nitondra trompetra ny sasany tamin’ny taranaky ny mpisorona, dia i Zakaria, zanak’i Jonatana, zanak’i Semaia, zanak’i Matania, zanak’i Mikaia, zanak’i Zakora, zanak’i Asafa,
36
mbamin’ny rahalahiny, dia i Semaia, i Azarela, i Milalay, i Gilalay, i May, i Netanela, i Joda ary i Hanany, nitondra ny zavamanenon’i Davida, lehilahin’Andriamanitra; ary nandeha teo alohan’ireo i Ezra mpanoradalàna.
37
Nizotra hatreo amin’ny vavahadin-doharano izy ka niakatra tamin’ny tohatra nihazo ny Tanànan’i Davida, teo amin’ny fiakarana amin’ny manda eo ambonin’ny tranon’i Davida ka hatreo amin’ny vavahadin-drano eo atsinanana.
38
Ny antoko mpihira andiany faharoa kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko niaraka tamin’ny antsasaky ny olona teo ambonin’ny manda hatreo ambonin’ny tilikambo fiambenana misy ny fatana fandoroana ka hatreo amin’ny manda lehibe,
39
ary hatreo ambonin’ny vavahadin’i Efraima sy teo ambonin’ny vavahady taloha ary teo ambonin’ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo fiambenana Hananela sy ny tilikambo fiambenana Hamea, dia hatramin’ny vavahadin’ondry; ary nijanona teo amin’ny vavahadin’ny trano fiambenana izy.
40
Dia nijanona tao amin’ny tranon’Andriamanitra izy roa tonta; tao koa aho sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko;
41
ary nitondra trompetra ny mpisorona, dia i Eliakima, i Mahaseia, i Miniamina, i Mikaia, i Elioenay, i Zakaria ary i Hanania,
42
mbamin’i Mahaseia, i Semaia, i Eleazara, i Ozy, i Johanana, i Malkia, i Elama ary i Ezera. Nihira mafy ny mpihira sy i Jizrahia, mpitarika azy.
43
Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra izy tamin’izany andro izany sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany dia nifaly koa ka re hatrany lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
44
Tamin’izany koa dia nisy olona notendrena hitandrina ny efitrano fitahirizana ny fanatitra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolonkarena, fa ao no angonina izay anjara voadidy ho an’ny mpisorona sy ny levita* avy amin’ny saha manodidina ny isan-tanàna; koa nifalian’ny Joda ireo mpisorona sy levita izay nanompo ireo.
45
Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny amin’Andriamaniny sy ny amin’ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin’i Davida sy i Solomona zanany.
46
Fa fahiny tamin’ny andron’i Davida sy i Asafa aza dia efa nisy lehiben’ny mpihira sy mpanao hira fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra.
47
Ny Israely rehetra, tamin’ny andron’i Zerobabela sy i Nehemia, dia nanome koa ny anjaran’ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, izany hoe ny anjarany isanandro; ary nanokana izay ho an’ny levita koa izy; ny levita kosa indray dia nanokana izay ho an’ny taranak’i Arona.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13