bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Nehemiah 6
Nehemiah 6
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 7 →
1
Rehefa ren’i Sanibala sy i Tobia ary i Gasema arabo mbamin’ny namany fahavalonay fa efa nanarina ny manda aho ka tsy nisy banga intsony teo, kanefa kosa tsy mbola voalatsako ny lelam-bavahady tamin’izany andro izany,
2
dia nandefa iraka ho any amiko i Sanibala sy i Gasema ka niteny hoe: Avia isika hihaona ao amin’izay vohitra iray amin’ny tany lemak’i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.
3
Dia nandefa iraka hankany aminy kosa aho hilaza hoe: Asa lehibe no ataoko ka tsy afa-midina aho; nahoana no hilaozako midina any aminareo ny asa ka hatsahatra?
4
Kanefa mbola nandefa iraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary mbola namaly azy toy izany hatrany ihany koa aho.
5
Dia nirahin’i Sanibala fanindiminy hankeo amiko ny zatovony, araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tanany
6
izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin’ny firenena maro izao teny izao sady lazain’i Gasema hoe: Ianao sy ny Jiosy* dia mikasa hikomy ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao
7
sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda! Ankehitriny dia ho ren’ny mpanjaka izany teny izany. Koa avia isika hiara-mihevitra.
8
Dia nandefa iraka ho any aminy aho hilaza hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany fa tao am-ponao ihany no namoronanao azy!
9
Fa ta hampatahotra anay izy rehetra ka hoy izy: Ho kivy amin’ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo re aho!
10
Dia tonga tao an-tranon’i Semaia zanak’i Delaia zanak’i Mehetabela aho. Nihidy aman-trano tao izy dia niteny hoe: Andeha isika hiditra ao amin’ny tranon’Andriamanitra ao anatin’ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy; eny, ho avy alina hamono anao izy.
11
Fa hoy aho: Moa tokony handositra va ny lehilahy toa ahy? Ary iza ny olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin’ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.
12
Ary hitako fa indro tsy Andriamanitra no naniraka azy fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy satria notambazan’i Tobia sy i Sanibala.
13
Izany no nanambazany azy mba hampitahotra ahy hanaovako izay lazainy ka hanotako mba hahazoany miteny ratsy hanomezany tsiny ahy.
14
Ry Andriamanitro ô, tsarovy i Tobia sy i Sanibala araka izany asany izany mbamin’i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa izay nampitahotra ahy.
15
Vita tao anatin’ny roa amby dimampolo andro ny manda, tamin’ny andro fahadimy amby roapolo tamin’ny volana Elola*.
16
Rehefa ren’ny fahavalonay rehetra izany dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitana izany asa izany.
17
Tamin’izany andro izany ny olo-manankaja amin’ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin’i Tobia ary ny avy tamin’i Tobia kosa dia tonga tany aminy.
18
Fa nisy maro tany Joda izay efa nianiana niray tetika taminy satria vinanton’i Sekania, zanak’i Ara, izy; ary efa nanambady ny zanakavavin’i Mesolama zanak’i Berekia i Johanana zanany lahy.
19
Nisy koa nilaza ny soa nataony teo anatrehako ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Nampitondra taratasy hampitahotra ahy kosa i Tobia.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13