bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Nehemiah 3
Nehemiah 3
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 4 →
1
Dia nitsangana i Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ondry; nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lelam-bavahadiny; hatreo amin’ny tilikambo fiambenan’i Hamea ka hatrany amin’ny tilikambo fiambenan’i Hananela no nohamasininy.
2
Ary teo anilan’ireo dia nandrafitra koa ny vatan-dehilahin’i Jeriko. Teo anilan’ireo indray dia nandrafitra koa i Zakora zanak’Imry.
3
Ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak’i Hasena; izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony.
4
Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Meremota, zanak’i Oria, zanak’i Hakoza. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Mesolama, zanak’i Berekia, zanak’i Mesezabela. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Zadoka, zanak’i Bana.
5
Ary teo anilan’io dia nanamboatra koa ny Tekoita; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny lohany ho amin’ny fanompoana ny Tompony.
6
Ny vavahady taloha dia namboarin’i Joiada, zanak’i Pasea, sy i Mesolama, zanak’i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony.
7
Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Melatia gibeonita sy i Jadona meronotita mbamin’ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ny toerana misy ny sezafiandrianan’ny governora etỳ andafin’ny ony Eofrata.
8
Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Oziela, zanak’i Haraia, isan’ny mpanefy volamena. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Hanania, izay isan’ny mpanao haro manitra. Nanamafy an’i Jerosalema hatrany amin’ny manda lehibe izy.
9
Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Refaia, zanak’i Hora, komandin’ny antsasak’ireo avy amin’ny faritr’i Jerosalema.
10
Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Jedaia, zanak’i Haromafa, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Hatosy, zanak’i Hasabnia.
11
Ny sasany koa mbamin’ny tilikambo fiambenana misy ny fatana fandoroana dia namboarin’i Malkia, zanak’i Harima, sy i Hasoba, zanak’i Pahata-Moaba.
12
Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Saloma, zanak’i Halohesy, komandin’ny antsasak’ireo avy amin’ny faritr’i Jerosalema, dia izy sy ny zanany vavy.
13
Ny vavahady mankany amin’ny lohasaha dia namboarin’i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony, ary narafiny koa ny arivo hakiho* amin’ny manda hatrany amin’ny vavahadin-jezika.
14
Ny vavahadin-jezika dia namboarin’i Malkia, zanak’i Rekaba, komandin’ny faritr’i Bety-Hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony.
15
Ny vavahadin-doharano dia namboarin’i Saloma, zanak’i Kola-Hoze, komandin’ny faritr’i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony, ary narafiny koa ny mandan’ny farihy Siloa, teo anilan’ny sahan’ny mpanjaka ka hatrany amin’ny tohatra midina avy any an-Tanànan’i Davida.
16
Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Nehemia, zanak’i Azboka, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Bety-Zora, hatreo amin’ny tandrifin’ireo fasan’i Davida ka hatramin’ny farihy izay natao ary hatrany amin’ny tranon’ny lehilahy mahery.
17
Teo anilan’io dia nanamboatra koa ny levita*, dia i Rehoma, zanak’i Bany. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Hasabia, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Keila, ho an’ny faritra misy azy.
18
Teo anilan’io dia nanamboatra koa ireo rahalahiny, dia i Bavay, zanak’i Henadada, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Keila.
19
Teo anilan’ireo dia nisy namboarin’i Ezera, zanak’i Josoa, komandin’i Mizpa, teo amin’ny tandrifin’ny fiakarana ho any amin’ny trano fitahirizam-piadiana eo amin’ny fiolahana.
20
Teo anilan’io koa i Baroka zanak’i Zabay dia nazoto nanamboatra ny ampahany hatreo amin’ny fiolahana ka hatreny amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba mpisoronabe.
21
Teo anilan’io koa dia nisy namboarin’i Meremota, zanak’i Oria, zanak’i Hakoza, hatreo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba ka hatrany amin’ny faran’ny tranon’i Eliasiba.
22
Teo anilan’io dia nanamboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin’ny tany lemaka.
23
Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Benjamina sy i Hasoba, teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany koa. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Azaria, zanak’i Mahaseia, zanak’i Anania, teo anilan’ny tranony ihany.
24
Teo anilan’io koa dia nisy namboarin’i Binoy, zanak’i Henadada, hatramin’ny tranon’i Azaria ka hatreo amin’ny fiolahana eo amin’ny zorony.
25
Ary i Palala zanak’i Ozay koa dia nanamboatra teo amin’ny tandrifin’ny fiolahana sy izay mandroso eo amin’ny tilikambo fiambenana ambony, eo amin’ny tranon’ny mpanjaka, eo akaikin’ny tokotanin’ny trano fiambenana. Teo anilan’io koa i Pedaia, zanak’i Parosy.
26
Ny Netinima* izay nonina tany Ofela dia niasa hatreo amin’ny tandrifin’ny vavahadin-drano atsinanana sy ny tilikambo fiambenana.
27
Teo anilan’ireo koa dia nisy namboarin’ny Tekoita, teo amin’ny tandrifin’ilay mandroso eo amin’ny tilikambo fiambenana lehibe ka hatreo amin’ny mandan’i Ofela.
28
Hatreo ambonin’ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin’ny mpisorona tsirairay ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony avy.
29
Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Zadoka, zanak’Imera, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Semaia, zanak’i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.
30
Teo anilan’io koa dia nisy namboarin’i Hanania, zanak’i Selemia, sy i Hanona, fahenin’ny zanak’i Zalafa. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Mesolama, zanak’i Berekia, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny efitranony ihany.
31
Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Malkia izay isan’ny mpanefy volamena, hatreo amin’ny tranon’ny Netinima sy ny mpanao varo-mandeha, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny vavahady Mifikada ka hatrany amin’ny trano ambony teo an-jorony.
32
Ary ny teo anelanelan’ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin’ondry no namboarin’ny mpanefy volamena sy ny mpivaro-mandeha.
33
Rehefa ren’i Sanibala fa nataonay ny manda dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehezany ny Jiosy*.
34
Dia niteny teo anatrehan’ny namany sy ny miaramilan’i Samaria izy hoe: Inona no ataon’ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Moa havela hiasa va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato avy amin’ny lavenona miavosa va ireo?
35
Ary i Tobia amonita dia teo anilan’i Sanibala ka niteny hoe: Na amboahaolo aza no miakatra eo amin’izay atsangany dia haharava ny manda vato ataony!
36
Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay! Koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony ary aoka ho babo any amin’ny tany izay ahababoany izy!
37
Aza saronana ny helony ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan’ireo mandrafitra izy ireo.
38
Dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin’ny antsasany miakatra; satria nafana fo niasa ny olona.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13