bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Song of Solomon 1
Song of Solomon 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 2 →
1
Ny tononkira tsara indrindra, izay an’i Solomona.
2
Enga anie ka hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
3
Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan’ny tovovavy anao.
4
Tariho aho hanaraka anao, dia hiara-hihazakazaka isika; noentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony aho. Hifaly sy hiravoravo ao isika; hankalazaintsika mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; fitiavana marina no itiavany anao.
5
Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin’i Jerosalema, toy ny tranolain’i Kedara, toy ny ambaindain’i Solomona.
6
Aza mibanjina ahy fa mivalomainty aho satria nodanihin’ny hainandro. Tezitra tamiko ny zanak’Ineny; notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; nefa ny tanim-boaloboko kosa, izay ahy, dia tsy mba nambenako.
7
Ambarao amiko, ry ilay tian’ny foko, aiza no iandrasanao ny ondrinao, aiza no andriandrianao rehefa antoandro? Fa nahoana aho no ho tahaka izay mirenireny foana eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao?
8
Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy, dia mandehana araho ny dian’ny andian’ondry aman’osy, ary andraso eny amin’ny tranolain’ny mpiandry ondry ny zanak’osinao.
9
Rahavako, ianao dia ampitahaiko amin’ny soavalivaviko mitarika ny kalesy fitondran’i Farao miady.
10
Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; manendrika ny vozonao ireo rojo feno perla.
11
Rojo volamena mitohitohy volafotsy kiboribory no ampiambozonanay anao.
12
Raha eo amin’ny latabany ny mpanjaka dia mamerovero tsara ny nardako.
13
Amiko, ny malalako dia miora iray fehezana madinika mandry eo an-tratrako.
14
Amiko, ny malalako dia salohim-boninkazo any an-tanim-boalobok’i Eny-Gedỳ.
15
Indro, tsara tarehy ianao, Rahavako; indro, tsara tarehy ianao; toy ny an’ny voromailala ny masonao.
16
Indro, tsara tarehy koa ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra ianao; ahi-maitso no fandrianantsika.
17
Hazo sedera ny sakamandimbin’ny tranontsika, ary hazo kipreso ny valindrihantsika.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8