bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Song of Solomon 3
Song of Solomon 3
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 4 →
1
Eo am-pandrianako aho, rehefa alina, dia mitady ilay malalan’ny aiko; nitady azy aho nefa tsy nahita azy.
2
Hiarina aho ka handehandeha eny an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kianja, hitady ilay tian’ny fanahiko, eny, nitady azy aho nefa tsy nahita azy.
3
Hitan’ny mpiambina izay mandehandeha misafo ny tanàna aho; dia hoy aho hoe: Sao mba hitanareo lahy ilay tian’ny foko iny?
4
Vao avy nandalo ireo kely foana aho dia hitako ilay tian’ny foko ka nohazoniko izy fa tsy navelako handeha mandra-pitondrako azy ho any an-tranon’Ineny, dia ao amin’ny efitranon’ilay niteraka ahy.
5
Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema, amin’ny gazela na amin’ny dieravavy any an-tsaha: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.
6
Iza moa irỳ miakatra avy any an-tany efitra tahaka ny andry setroka sady manitra miora sy ditin-kazo mani-pofona mbamin’ny vovo-javamanitra samihafa entin’ny mpivaro-mandeha?
7
Indro ny filanjan’i Solomona! Lehilahy mahery fo enimpolo, avy amin’ny lehilahy mahery voafantina amin’ny Israely, no manotrona azy.
8
Mitana sabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, ary samy mitondra ny sabany eo amin’ny fehikibony avy noho ny tahotra amin’ny alina.
9
Nanamboatra filanjana ho azy i Solomona mpanjaka, filanjana izay vita tamin’ny hazo avy any Libanona:
10
Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, lamba volomparasy ny fipetrahana eo aminy; ny ao anatiny dia voatemitra fitiavana avy tamin’ny zanakavavin’i Jerosalema.
11
Mivoaha, ry zanakavavin’i Ziona*, ka mijere an’i Solomona mpanjaka, izay misatroka ilay satroboninahitra nasatroky ny reniny azy tamin’ny andro nampakarany vady, dia ilay tamin’ny andro nifalian’ny fony.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8