bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Song of Solomon 8
Song of Solomon 8
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
1
Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko izay ninono tamin’Ineny ianao, dia ho nahita anao teny alatrano aho ka ho nanoroka anao, eny, tsy ho azon’olona noesoesoina aho.
2
Dia hoentiko ka hampidiriko ho ao an-tranon’Ineny ianao, ary ampianaro aho; hampisotroiko divay noharoharoan-javamanitra mbamin’ny ranon’ampongabendanitro ianao.
3
Aoka hanondana ahy ny tanany havia, ary aoka hamihina ahy ny tanany havanana.
4
Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.
5
Iza moa irỳ vehivavy miakatra avy any an-tany efitra, mitehina amin’ny malalany? Teo ambanin’ny hazo paoma no namohazako anao; teo no niterahan’ny reninao anao, eny, teo no nahararian’ilay niteraka anao.
6
Ataovy toy ny tombo-kase ao am-ponao sy toy ny tombo-kase eo an-tsandrinao aho; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fitoeran’ny maty* ny fahasaro-piaro; ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon’NY TOMPO.
7
Na dia ny ony maro aza dia tsy afaka hamono ny afon’ny fitiavana, ary na ny renirano aza dia tsy mahapaoka azy; na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hividianana fitiavana dia hatao tsinontsinona izy.
8
Manana zandry vavy tsy mbola misy nono izahay; ahoana no hataonay amin’ny zandrinay vavy raha tonga izay andro hangatahan’olona azy ho vady?
9
Raha rindrimbe izy dia hanangananay tilikambo volafotsy eo an-tampony; fa raha varavarana kosa izy dia hotampenanay hazo fisaka sedera.
10
Rindrimbe aho, ary ny nonoko dia toy ny tilikambo. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita fiadanana aho.
11
Nanana tanim-boaloboka tao Baala-Hamona i Solomona; nahofany tamin’ny olona mpiandry voly io tanim-boaloboka io ka samy tsy maintsy mitondra sekela volafotsy arivo ho solon’ny vokatra ao ny tsirairay.
12
Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an’ny tenako, dia eto anatrehako, ny arivo kosa dia anao ry Solomona, ary ny roanjato dia ho an’izay mpiandry voly.
13
Ry mitoetra eny an-tsaha! Te hihaino ny feonao ireo namako; mba ampandreneso izany koa aho.
14
Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela na ny diera tanora any an-tendrombohitry ny balisama.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8