bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Song of Solomon 4
Song of Solomon 4
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 5 →
1
Endre, tsara tarehy ianao, Rahavako! Endre, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia toy ny an’ny voromailala eo amin’ny fisalobonanao; ny volonao dia tahaka ny andian’osy izay miriotra midina ny tendrombohitr’i Gileada.
2
Ny nifinao dia tahaka ny andian’ondrivavy efa voahety izay miakatra avy eo amin’ny fampandroana azy; samy kambana avy ireo ka tsy misy tsy mana-namana.
3
Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary milantolanto ny fitenenanao; tahaka ny hasin’ampongabendanitra ny takolakao eo amin’ny fisalobonanao;
4
ny vozonao dia tahaka ny tilikambon’i Davida, natao ho trano fihantonana fitaovam-piadiana; ampinga arivo no voahantona teo, dia ny ampinga rehetra an’ny lehilahy mahery fo.
5
Ny nononao roa dia toy ny zana-gazela zana-gazela kambana, dia gazela izay miraoka ahitra eny amin’ny lisy.
6
Mandra-pangatsiatsiaka ny andro, koa amin’ny milenti-masoandro dia handeha ho any amin’ny tendrombohitry ny miora sy ny havoanan’ny ditin-kazo mani-pofona aho.
7
Tsara avokoa izato bikanao izato, Rahavako; tsy misy kilema ianao.
8
Avia hiaraka amiko avy any Libanona, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona; mitazàna avy eny an-tampon’i Amana, eny an-tampon’i Senira sy i Hermona, lavaky ny liona, sy ny tendrombohitry ny leoparda.
9
Babonao ny foko, ry havako ampakariko, babonao ny foko tamin’ny fijerin’ny masonao an’ila fotsiny sy tamin’ny rojo iray amin’ny vozonao.
10
Akory ny hatsaran’ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran’ny fitiavanao! Eny, tsara noho ny divay! Ary ny hanitry ny menakao dia mihoatra noho ny balisama rehetra!
11
Mitete tantely toy ny avy amin’ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; tantely sy ronono no ao ambanin’ny lelanao, ary ny fofon’ny fitafianao dia tahaka ny fofon’i Libanona.
12
Saha voafefy tsara ianao ry havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.
13
Ianao no saha anirian’ny ampongabendanitra tsara voa, sady misy voninkazo sy narda,
14
eny, narda sy tamotamo, veromanitra sy havozomanitra ary ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra, miora sy hazo manitra mbamin’ny balisama rehetra.
15
Loharano ao an-tsaha ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.
16
Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, mitsofa eny an-tsahako hielezan’ny fofon’ny balisama. Aoka ny malalako hankaty an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8