bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Song of Solomon 6
Song of Solomon 6
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 7 →
1
Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao mba hiarahanay aminao hitady azy?
2
Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin’ny tanim-boninkazo misy zavamanitra mba hiandry ny ondriny miraoka ahitra eny an-tsaha sy hioty ny lisy.
3
An’ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny andian’ondriny eny amin’ny lisy.
4
Tsara tarehy tahaka an’i Tirza ianao, Rahavako, eny, tsara tarehy tahaka an’i Jerosalema, mahatahotra toy ny andia-miaramila mitondra faneva.
5
Avilio tsy hijery ahy ny masonao fa mampiontanontana ny foko. Ny volonao dia tahaka ny andian’osy izay miriotra midina an’i Gileada.
6
Ny nifinao dia tahaka ny andian’ondrivavy izay miakatra avy eo amin’ny fampandroana azy; samy kambana avy ireo fa tsy misy tsy mana-namana;
7
tahaka ny hasin’ampongabendanitra ny takolakao eo amin’ny fisalobonanao.
8
Misy mpanjakavavy enimpolo sy vady tsindrano valopolo ary zatovovavy tsy hita isa.
9
Fa tokana kosa ny voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavitokan’ny reniny sady tsongaina amin’izay naterany. Ny tovovavy izay nahita azy dia nilaza azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vady tsindrano ka nidera azy.
10
Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina izay tsara tarehy tahaka ny volana, mamiratra toy ny masoandro nefa sady mahatahotra toy ny andia-miaramila mitondra faneva?
11
Lasa nidina nankany an-tsaha misy ny hazo fihinam-boa aho, hijerijery ny zava-maitso eny an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka na mamony ny ampongabendanitra.
12
Tsy nampoiziko ny nipetrahako teo amin’ny kalesin’ny fireneko be voninahitra.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8