bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Song of Solomon 5
Song of Solomon 5
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 6 →
1
Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; mioty ny miorako mbamin’ny balisama aho; efa homana ny toho-tanteliko mbamin’ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin’ny rononoko. Mihinàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
2
Natory aho nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! Ny feon’ny malalako, izay mandondòna hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema fa vonton’ando ny lohako; ny voloko milantolanto dia kotsan’ny andon’ny alina.
3
Efa niala akanjo aho, koa hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa avy nanasa tongotra aho, koa hataoko ahoana ny handoto azy indray?
4
Nampiditra ny tanany teo amin’ny lava-kombarika ilay malalako dia nangorakoraka azy ny foko.
5
Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho ary nitete miora ny tanako, eny, nitete ranon’ny miora ny rantsan-tanako teo amin’ny famohana ny hidim-baravarana.
6
Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; very hevitra tamin’ny fitenenany teo am-baravarana aho; nitady azy aho nefa tsy nahita; niantso azy aho nefa tsy novalìny.
7
Nahita ahy ny mpiambina izay mandehandeha manao andrimaso eny an-tanàna, dia nikapoka sy nandratra ahy; ary nesorin’ireo mpiambina ny manda ny lamba fisaonako.
8
Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho.
9
Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin’ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao?
10
Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin’ny alinalina.
11
Ny lohany dia toy ny tena volamena tsy miharo; ny volony dia milantolanto sady mangiloilo toy ny an’ny goaika.
12
Ny masony dia tahaka ny an’ny voromailala eo anilan’ny sakeli-drano, mandro amin’ny ronono sady tahaka ny vatosoa nalatsaka an-tranontranony.
13
Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zavamanitra eo an-tsaha, tahaka ny tilikambo misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lisy no sady mitete ranon’ny miora.
14
Ny tanany dia tahaka ny haba volamena voaisy krizolita; ny tenany dia tahaka ny ivoara voalama tsara no sady misarona safira;
15
ny ranjony dia tahaka ny marbra fotsy miorina amin’ny faladia volamena tsy miharo; ny tarehiny dia tahaka an’i Libanona, tsara toy ny sedera.
16
Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha te ho tia avokoa ny aminy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin’i Jerosalema!
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8