bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Acts 11
Acts 11
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 12 →
1
Ren’ny Apôstôly sy ireo havana iray finoana tany Jodea fa hoe nandray ny tenin’Andriamanitra koa ny Jentily.
2
Koa nony tafakatra tany Jerosalema i Piera, dia nomen’ireo mpino voafora tsiny,
3
nataony hoe «Nahoana ianao no niantrano tany amin’ny olona tsy voafora, sady niara-nihinana taminy?»
4
Dia nitantara ny zavatra niseho hatramin’ny niandohany i Piera ka nanao hoe:
5
Raha nivavaka tany an-tanàna Jôpe aho, dia azon-tsindrimandry ka nahita zavatra anankiray toa lamba lehibe nifatotra tamin’ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra, tonga tao amiko.
6
Nony nijery azy aho ka nandinika, dia hitako tao ny biby manana tongotra efatra, ny biby dia, ny biby mandady, ary ny voromanidina.
7
Ary nisy feo reko koa nanao hoe: Mitsangàna, ry Piera, mamonoa ka mihinàna.
8
Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko, tsy mbola nisy zavatra fady sy maloto mba niditra tao am-bavako.
9
Fa niteny indray ilay feo tany an-danitra nanao hoe: Aza ataonao ho maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.
10
Intelo no naverina natao izany, dia nakarina tany an-danitra indray izany rehetra izany.
11
Niaraka tamin’izay, dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao an-trano nitoerako, nirahina avy tany Sezarea hankany amiko.
12
Ary hoy ny Fanahy Masina tamiko: Aza misalasala hiaraka amin’izy ireo. Dia niaraka tamiko koa ireto havana iray finoana enina ireto, ka niditra tao an-tranon’i Kôrnely izahay.
13
Notantarain-dralehilahy taminay ny nahitany ny Anjely nitsangana tao an-tranony, ka nanao taminy hoe: Maniraha ho any Jôpe, ampanalao i Simôna izay atao hoe Piera,
14
fa izy no hilaza aminao ny teny izay hahavonjy anao sy ny ankohonanao rehetra.
15
Ary raha vao niteny tamin’izy ireo aho, dia nidina taminy toy ny nidinany tamintsika taloha koa ny Fanahy Masina.
16
Tamin’izay dia tsaroako ny tenin’ny Tompo nanao hoe: ‹I Joany nanao batemy tamin’ny rano, fa ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina.›
17
Koa raha fanomezana sahala no nomen’Andriamanitra azy sy antsika izay nino an’i Jesoa Kristy Tompo, iza moa aho no ho afa-mifanohitra amin’Andriamanitra?
18
Nony nandre izany izy ireo, dia sady nangina no nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.
19
Tamin’izany, izay naelin’ny fanenjehana noho ny amin’i Etienina dia tonga hatrany Fenisia sy Sipra ary Antiôkia, nefa tsy nitory teny afa-tsy tamin’ny Jody ihany.
20
Ny sasany tamin’izy ireo anefa, izay lehilahy avy any Sipra sy Sirena, dia mba nisy niteny tamin’ny Grika ihany nony tonga tao Antiôkia, nitory an’i Jesoa Tompo.
21
Nomban’ny tanan’ny Tompo izy ireo, ka betsaka no nino sy nanatona ny Tompo.
22
Nandre ny lazan’izany ny Eglizy tao Jerosalema, ka naniraka an’i Barnabe hankany Antiôkia.
23
Nony tonga tany izy ka nahita ny fahasoavan’Andriamanitra, dia faly sy namporisika azy rehetra mba haharitra ao amin’ny Tompo amin-kerim-po.
24
Fa lehilahy tsara fanahy izy, sady feno ny Fanahy Masina sy finoana, ka vahoaka betsaka no nikambana tamin’ny Tompo.
25
Dia lasa nankany Tarsa i Barnabe hitady an’i Saoly; ary nony efa hitany izy, dia nentiny nankany Antiôkia.
26
Ka herintaona maninjitra no nanaovany fivoriana tao amin’io Eglizy io, ary vahoaka betsaka no nampianariny. Tao Antiôkia koa no voalohany nandraisan’ny mpianatra ny anarana hoe: Kristianina.
27
Tamin’izany andro izany, dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema tonga tao Antiôkia.
28
Ary voatsindrin’ny Fanahy Masina ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Agabosy, ka nitsangana nilaza fa hisy mosary lehibe amin’izao tontolo izao. Dia tonga tokoa izany tamin’ny andron’ny Klaody.
29
Ary nanapa-kevitra ny mpianatra fa hampitondra fiantrana araka ny ananany, hamonjy ireo havana iray finoana nonina tany Jodea,
30
ka notanterahiny tokoa izany; i Barnabe sy i Saoly no nampitondrainy izany fanampiana izany ho any amin’ny Pretra.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28