bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Acts 6
Acts 6
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 7 →
1
Tamin’izany andro izany, rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra, dia nimonjomonjo tamin’ny Hebrio ny Helenista, satria tsy mba nahîna loatra tamin’ny fizaràna ny fiantrana isan’andro ny mpitondratena tao aminy.
2
Ka novorin’ny roa ambin’ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe: «Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra.
3
Koa amin’izany, ry hava-malala, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena, mba hametrahanay izany raharaha izany;
4
ary izahay kosa hikely aina amin’ny fivavahana sy ny fitorian-teny.»
5
Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany, ka dia nofidiny i Etienina lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy, ary i Nikôlà, prôselita avy any Antiôkia.
6
Narosony teo anatrehan’ny Apôstôly izy ireo, ka nametrahany tanana nony efa vita ny fivavahana.
7
Dia niely ny tenin’Andriamanitra, nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema, ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
8
Ary feno fahasoavana sy herim-po i Etienina, ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka.
9
Fa ny sasany avy amin’ny sinagogan’ny Libertinina, sy ny an’ny Sireneanina sy ny Aleksandrinina mbamin’ny Jody avy any Silisia sy Azia dia nitsangana niady hevitra tamin’i Etienina,
10
ka nony tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany izy ireo,
11
dia namoky olona hilaza hoe: «Renay nandefa teny fitenenan-dratsy an’i Môizy sy Andriamanitra izy io»
12
Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna, ka niantoraka tamin’i Etienina sy nisambotra azy, ary nitondra azy tany amin’ny Sanedrìna.
13
Dia nanangana vavolombelona tsy marina izy nanao hoe: «Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ny fitoerana masina sy ny Lalàna.
14
Efa renay nilaza izy fa ilay Jesoa avy any Nazareta, hono, dia handrava ity fitoerana ity, sy hanova ny fanao nomen’i Môizy antsika.»
15
Ary raha nibanjina an’i Etienina ry zareo rehetra nipetraka tao amin’ny Sanedrìna, dia hoatra ny Anjely no fijeriny ny tarehiny.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28