bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Acts 24
Acts 24
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 25 →
1
Nony afaka hadimiana, dia tonga i Anania lehiben’ny mpisorona sy ny loholona sasany, ary mpandaha-teny anankiray atao hoe Tertolosy, hiampanga an’i Paoly amin’ny governora.
2
Nony nantsoina i Paoly, dia niampanga azy araka izao i Tertolosy: «Ry Feliksa tsara indrindra ô, ny fiadanana lehibe azonay taminao, sy ny fitondrana nanasoavanao ity firenena ity tamin’ny zavatra maro,
3
dia raisinay amim-pankasitrahana mandrakariva sy hatraiza hatraiza.
4
Fa mba tsy hanahiranako anao ela loatra, dia mihanta amin’ny hamoram-ponao izahay, mba henoy kely izao:
5
Io lehilahy io dia hitanay fa mpanimba vahoaka, mpampitabataba ny Jody rehetra amin’izao tontolo izao, filohan’ny antokon’ny Nazareanina,
6
ary efa nitady hametaveta ny Tempoly aza, ka dia io izy nosamborinay: Ny hitsara azy araka ny lalànay no nokasainay.
7
Kanjo tonga i Lisiasy komandy naka azy an-keriny teo am-pelatananay.
8
sy nandidy ny mpiampanga azy hankatỳ aminao. Ho hitanao amin’ny fanadinana azy fa marina ny zavatra rehetra iampanganay azy.»
9
Dia nanampy izany koa ny Jody, nilaza fa izany no izy.
10
Ary rehefa notondroin’ny governora hiteny i Paoly, dia namaly ka nanao hoe: «Fantatro fa taona maro no efa nitondranao ity firenena ity, ka amin-toky no hitenenako hanala tsiny ny tenako.
11
Tsy mihoatra ny roa ambin’ny folo andro izao no niakarako hivavaka tany Jerosalema, sady azonao fantarina mora foana izany.
12
Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin’olona tao an-Tempoly, na nampitabataba vahoaka tao amin’ny sinagoga,
13
na tao an-tanàna. Tsy azony hamarinina velively izao zavatra iampangany ahy izao.
14
Fa izao no ekeko eto anatrehanao: Izaho dia manompo ny Andriamanitry ny razanay, araka ny lalana lazain’izy ireo hoe antokom-pivavahana; mino ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny Lalàna sy ny mpaminany aho,
15
ary manantena amin’Andriamanitra tahaka azy ireo koa, fa samy hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty, na ny olo-marina na ny olo-meloka,
16
ka noho izany dia nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny fieritreretako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona.
17
Nony afaka taona maro, dia tonga nitondra fiantrana ho an’ny fireneko aho, sy nanolotra fanatitra.
18
Tamin’izay no nahitan’izy ireo ahy tao an-Tempoly avy nandio tena, tsy nisy famoriam-bahoaka, na tabataba velively,
19
fa Jody sasany avy any Azia no teo, ka ireo aza no tokony hiseho eto anatrehanao hiampanga ahy, raha misy izay hiampangany ahy.
20
Na aoka ry zareo ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany nataoko, raha niseho teo anatrehan’ny Sanedrìna aho;
21
afa-tsy raha hoe, heveriny ho heloka angaha ilay teny indraimbava voalazako teo afovoan’izy ireo hoe: Ny amin’ny fitsanganan’ny maty no hitsarana ahy eto anatrehanareo anio.»
22
Fantatr’i Feliksa tsara ny amin’io Lalana io, ka noravany ny olona nilazany hoe: «Rahefa tonga i Lisiasy komandy, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.»
23
Dia nasainy nambenan’ny kapiteny i Paoly, nefa avela hiadanadana ihany, ary tsy raràna tsy hanampy azy ny mpomba azy na iray aza.
24
Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga i Feliksa sy i Drosila vadiny, izay vehivavy Jody, ka nampaka an’i Paoly, dia nihaino azy nitory ny finoana an’i Kristy Jesoa.
25
Nony nilaza ny amin’ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy i Paoly, dia raiki-tahotra i Feliksa ka nanao hoe: «Mandehana aloha, fa raha vao misy malalaka dia hampiantso anao indray aho.»
26
Nanantena homen’i Paoly vola koa izy tamin’izany, ka nampiantso azy matetika sy niresaka taminy.
27
Nony afaka roa taona, dia nodiasan’i Pôrsiosy Festosy i Feliksa, ary noho izy te hahazo sitraka tamin’ny Jody, dia navelany ho mpifatotra tao ihany i Paoly.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28