bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Acts 28
Acts 28
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
1
Efa voavonjy izahay vao nahalala fa Malta no anaran’ny nosy. Be tokoa ny soa nataon’ny tompon-tany taminay:
2
noraisiny tsara avokoa izahay rehetra; namelona afo hamindroanay izy, fa sady avy ny orana no nangatsiaka ny andro.
3
Dia mba nanangona kitay hazo iray trotroana koa i Paoly; kanjo nony nanohoka izany teo amin’ny afo, dia indrỳ nisy menarana anankiray voasinton’ny hafanana, ka niantsampy tamin’ny tanany.
4
Nony nahita ity bibilava niraviravy tamin’ny tanany ry zareo tompon-tany, dia nifampilaza hoe: «Tena mpamono olona mihitsy io lehilahy io, fa na afaka tamin’ny ranomasina aza, tsy avelan’ny fahamarinan’Andriamanitra ho velona intsony.»
5
Nakifik’i Paoly tamin’ny afo anefa ilay biby, sady tsy nampaninona azy kely akory.
6
Niandry ihany ny tompon-tany izay hahita azy mivonto, na hiankapoka maty tampoka; nefa nony hitany fa tsy naninon-tsy naninona akory izy, dia niova indray ny heviny, ka vaky nilaza hoe: «Isan’ny andriamanitra io.»
7
Tao akaikinay, dia nisy sahan’i Pobliosy mpanapaka ny nosy, izay nandray sy nampiantrano anay tsara hateloana.
8
Nasian’ny tazo sy ny fivalanan-dra ny rain’i Pobliosy, ka nihonaka teo am-pandriana. Lasa namangy azy tao i Paoly, dia nanao fivavahana sy nametra-tanana taminy ka nahasitrana azy.
9
Nandre izany ny marary rehetra tao amin’ny nosy, dia mba nanatona koa, ka sitrana avokoa.
10
Nony hiala tao izahay, dia nomen’ny olona voninahitra lehibe, sy novatsiany izay rehetra ilainay.
11
Nony afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin’ny sambon’i Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina tamin’izany nosy izany, sy nisy ny sarin’ny Diôskôra ho famantarana azy.
12
Nony tody tao Sirakoza izahay, dia nijanona tao hateloana.
13
Avy ao dia nanara-tsisina izahay ka tonga tao Rejiô; ary ny ampitso, nisy rivotra nifofofofo avy any atsimo, ka indroa andro dia tonga tany Pozôly izahay.
14
Tao no nahitanay havana iray finoana sasany, izay niangavy taminay mba hitoetra ao aminy hafitoana; raha efa izany dia nandroso ho any Rôma izahay.
15
Vao nandre anay tonga ny tao an-tanàna, dia tamy nitsena anay hatrany an-tsenan’i Apiosa sy Tranombahinitelo. Nony nahita azy ireo i Paoly dia nisaotra an’Andriamanitra sady nahazo toky erỳ.
16
Rehefa tonga tany Rôma izahay, dia nahazo nitoetra nitokana i Paoly, fa miaramila iray no niambina azy.
17
Nony afaka hateloana, dia nampiantsoin’i Paoly ny lohandohan’ny Jody, ka nony tafavory izy ireo dia hoy izy taminy: «Ry hava-malala, izaho dia nafatotra hatrany Jerosalema sy natolotra teo an-tanan’ny Rômanina, na dia tsy nanao na inona na inona manohitra ny firenentsika sy ny fanaon-drazantsika aza.
18
Nony namototra ahy ireo, ka nahita fa tsy nisy tokony hahafaty ahy, dia nikasa handefa ahy ihany izy ireo;
19
nefa notoherin’ny Jody izany, ka voatery nangataka hotsarain’i Sezara aho; tsy ao an-tsaiko velively anefa izay hiampanga ny fireneko amin’izany.
20
Izany no niangaviako ny mba hifankahita sy hidinika aminareo; fa noho ny fanantenan’i Israely ity, no ifatorako amin’izao rojo vy izao.»
21
Dia izao no navalin-dry zareo azy: «Tsy nahazo taratasy avy any Jodea milaza anao izahay; ary tsy nisy havana iray finoana tonga nanondro anao, na nanaratsy anao akory;
22
fa izao ihany no fantatray: toherina hatraiza hatraiza izany antokom-pivavahana izany; koa maniry handre izay hevitrao izahay.»
23
Dia nanao fotoana taminy izy ireo, ka maro no tonga tao an-trano nitoerany. Teny manetsiketsika no nanehoan’i Paoly ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo, hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva; sady ny teny ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny mpaminany manambara an’i Jesoa ihany no nentiny nitaona azy ireo hino Azy.
24
Ka ny sasany nino izay nolazainy; fa ny sasany kosa tsy nino.
25
Noho izy ireo tsy niray saina ka ndeha hiala, dia izao ihany no nanampin’i Paoly: «Marina tokoa lahy ny tenin’ny Fanahy Masina, nampilazainy an’i Izaia mpaminany tamin’ny razanareo hoe:
26
‹Mankanesa amin’io firenena io ianao, ka lazao amin’izy ireo hoe: Handre amin’ny sofinareo ianareo, fa tsy hahalala; ary hijery amin’ny masonareo, fa tsy hahita
27
Satria efa nihadonto ny fon’io firenena io, efa nihamarenina ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao mahita ny masony, sy mandre ny sofiny, ary mahalala ny fony, ka ndeha hibebaka izy, ka tonga mahazo famonjena avy amiko.› »
28
Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’Andriamanitra izao, dia hoentina any amin’ny Jentily, ka horaisiny an-kafaliana.
29
Nony voalazany izany, dia lasa ny Jody, sady rafitra ady hevitra mafy.
30
Nitoetra roa taona nipaka tao amin’ny trano anankiray nohofany i Paoly; ary nandray tsara an’izay rehetra nankao aminy.
31
Nitory ny fanjakan’Andriamanitra sy nampianatra ny amin’i Jesoa Kristy Tompo tamin-kasahiana lehibe izy, sady tsy nisy nisakana.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28