bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Acts 12
Acts 12
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 13 →
1
Tamin’izany andro izany, dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina mba hampahoriana ny sasany anisan’ny Eglizy.
2
Nasainy novonoina tamin’ny sabatra i Jakôba rahalahin’i Joany.
3
Nony hitany fa nankasitrahin’ny Jody izany, dia nasainy nosamborina koa i Piera. Andron’ny Azima tamin’izay.
4
Nony efa nosamborina izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka nasainy nambenan’andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy; fa rehefa afaka ny Paka vao kasainy hatolotra ny vahoaka izy.
5
Raha mbola notanana tao an-tranomaizina i Piera, dia tsy tapaka ny fivavahana nataon’ny Eglizy ho azy.
6
Tamin’ny alin’ny hamoahan’i Herôda azy, raha natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy i Piera, sady nifatotra tamin’ny rojo vy roa, ary nisy mpiambina niambina teo am-baravaran’ny tranomaizina,
7
dia indro nisy Anjelin’ny Tompo sy fahazavana namirapiratra tonga tampoka tao an-tranomaizina; nanohina ny andilan’i Piera ilay Anjely, namoha azy nanao hoe: «Mitsangàna faingana,» dia niala tamin’ny tanany ny rojo vy,
8
Ary hoy ilay Anjely taminy: «Anaovy ny fehikibonao, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany, ka hoy indray ity Anjely: Tafio ny lambanao, ary manaraha ahy.»
9
Dia nivoaka i Piera ka nanaraka azy; tsy fantany ho tena zavatra anefa ny nataon’ny Anjely, fa nataony ho fahitana fotsiny izany.
10
Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga tao amin’ny vavahady vy, fidirana ao an-tanàna; nivoha ho azy io, ka tafavoaka izy ireo, dia nizotra tamin’ny lalana iray, vao nilaozan’ilay Anjely tampoka izy.
11
Izay vao nahatsiaro fanahy i Piera, ka nanao hoe: «Fantatro ankehitriny fa efa naniraka ny Anjeliny tokoa ny Tompo, ka nanafaka ahy tamin’ny tanan’i Herôda, sy ny fanampoizan’ny vahoaka Jody.»
12
Dia nieritreritra kely izy aloha vao nankany an-tranon’i Maria renin’i Joany, izay atao hoe Marka; olona maro no tafavory nivavaka tao.
13
Nodoniny ny vavahady, dia nanatona hihaino ity ankizivavy anankiray atao hoe Rôdy.
14
Vao nahalala ny feon’i Piera io, dia nentin-kafaliana ka tsy ny vavahady no novohainy, fa ny tao an-trano no nihazakazahany nilazana hoe: «Ao am-bavahady ao i Piera.»
15
Dia hoy ireo taminy: «Very saina ianao.» Nefa nilaza marina dia marina izy fa izany tokoa; ka hoy izy ireo: «Anjeliny izany.»
16
Tamin’izany mbola nandondòna ihany i Piera; nony namoha azy izy ireo ka nahita azy vao talanjona foana.
17
Nohofain’i Piera tanana izy ireo mba hangina, dia nitantarany ny namoahan’ny Tompo azy tao an-tranomaizina, sy nilaza hoe: «Ambarao amin’i Jakôba sy amin’ireo havana iray finoana izany.» Raha efa izany dia lasa hankany amin’ny toeran-kafa izy.
18
Nony nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila nikaroka izay nanjavonan’i Piera.
19
Rehefa nampikarohin’i Herôda izy, ka tsy hitany, dia ny mpiambina no nadininy sy nasainy novonoina. Taorian’izany dia niala tany Jodea izy ka nankany Sezarea, ary nitoetra tao.
20
Tezitra tamin’ny mponina any Tira sy Sidona i Herôda fahizany. Koa nony efa nahazo an’i Blasta mpitandrina ny trano fandrian’ny mpanjaka ho sakaizany ry zareo ireo, dia niara-nanatona azy mba hangataka fihavanana taminy, satria ny tanin’i Herôda no niveloman’ny fireneny.
21
Nony tonga ny andro voatendry, nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana i Herôda niakanjo ny fanamian’ny mpanjaka, dia nikabary tamin’izy ireo.
22
Ary ny vahoaka niantso hoe: «Feon’Andriamanitra izany, fa tsy mba feon’olombelona!»
23
Niaraka tamin’izay, dia nisy Anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, ka maty nohanin’ny kankana.
24
Tamin’izany dia nandroso niely ny tenin’ny Tompo, ka nahavokatra mpianatra maro hatrany.
25
Nony vita ny raharahan’i Barnabe sy i Saoly tao Jerosalema, dia niverina tany Antiôkia izy, ary nitondra an’i Joany izay atao hoe Marka hiaraka aminy.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28