bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Acts 20
Acts 20
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 21 →
1
Nony nitsahatra ny tabataba, namory ny mpianatra i Paoly, ka nananatra azy, sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Masedônia.
2
Nitety izany faritany izany izy, namporisika ny olona tamin’ny teny maro, dia lasa nankany Gresy.
3
Nitoetra telo volana tao izy, dia niomana hiondrana an-tsambo hankany Siria, kanjo nikendry azy ny Jody, ka nanapa-kevitra izy fa hamaky an’i Masedônia.
4
Ary ireto no niaraka hatrany Azia: i Sôpatera zanak’i Pirosy avy any Berea, i Aristarka sy i Sekondosy avy any Tesalonika, i Gaiosy avy any Derbe, ary i Timote sy i Tisìka sy i Trôfima avy any Azia.
5
Dia nialoha izy ireo, ka niandry anay tany Trôasy.
6
Fa izahay kosa niondrana an-tsambo, niala tao Filipy taorian’ny andron’ny Azima, ka hadimiana vao tonga tany amin’izy ireo tany Trôasy; dia nitoetra tao hafitoana izahay.
7
Ary tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, raha niangona hamaky ny mofo izahay, dia nampianatra azy ireo i Paoly, ka nanohy ny toriteniny hatramin’ny misasaka alina, fa nikasa handeha maraina.
8
Jiro maro no tao amin’ny efitra ambony niangonanay.
9
Nisy kosa tovolahy anankiray izay atao hoe Eotìka, nipetraka teo am-baravarankely; sondriantory mafy izy io, fa naharitra ela ny toritenin’i Paoly, ka nirona izy, dia nidaboka tany ambany avy amin’ny rihana fahatelo; nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
10
Nidina namonjy azy i Paoly, dia niondrika teo amboniny sy nanohona azy, ary nanao hoe: «Aza manana ahiahy ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.»
11
Dia niakatra indray i Paoly, namaky ny mofo sy nihinana, ary niresaka ambara-pahamaraina ny andro, vao lasa nandeha.
12
Ilay tovolahy tamin’izay dia efa velona ka nentin’izy ireo nody tamin-kafaliana lehibe.
13
Izahay kosa dia niondrana an-tsambo, nialoha nankany Asôsy, fa eo no handraisanay an’i Paoly araka ny teny nomeny, satria nandeha an-tanety izy.
14
Nony tafahaona taminay tany Asôsy izy, dia noraisinay, ka lasa nankany Mitilena izahay.
15
Niondrana an-tsambo avy eo izahay, dia tonga tandrifin’i Kiô ny ampitso, ary nitody tao Samôsy ny ampitson’izay, vao tonga tany Mileto ny ampitson’iny indray.
16
Ny handalo fotsiny fa tsy hijanona ao Efezy no efa nokendren’i Paoly mba tsy hitoerany ela any Azia: satria maika hamonjy ny andron’ny Pantekôty any Jerosalema izy raha azo atao.
17
Raha mbola tany Mileto izy, dia naniraka hankany Efezy, nampaka an’ireo Pretran’ny Fiangonana.
18
Ka nony tafavory teo aminy izy ireo, dia hoy izy taminy: «Fantatrareo hatramin’ny andro voalohany nahatongavako teto Azia, izay toetry ny fitondran-tenako taminareo hatrany hatrany;
19
fa nanompo ny Tompo tamim-panetren-tena lehibe sy tamin-dranomaso aho, ary tamim-piaretana ny fahoriana noho ny nikendren’ny Jody ahy.
20
Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo ampahibemaso sy isan-trano.
21
Nambarako tamin’ny Jody sy tamin’ny Jentily ny fanatonana an’Andriamanitra amin’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Tompontsika.
22
Ary ankehitriny indro teren’ny Fanahy hankany Jerosalema aho; nefa tsy fantatra izay hanjò ahy any.
23
Izao ihany no ambaran’ny Fanahy Masina amiko isan-tanàna isan-tanàna alehako, dia misy famatorana sy fanenjehana miandry ahy.
24
Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rehefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin’ny fahasoavan’Andriamanitra.»
25
«Eny iky, ry olona nalehako nitoriako ny fanjakan’Andriamanitra! fantatro fa tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo rehetra.
26
Koa izany no ilazako aminareo anio fa afa-tsiny amin’ny ranareo rehetra aho,
27
satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.
28
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo ny Eglizin’ny Tompo izay novidiny tamin’ny Rany.
29
Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, izay tsy hitsitsy ny ondry.
30
Ary ny sasany avy aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
31
Koa miambena re, ary tsarovy lahy fa telo taona maninjitra anie aho no tsy nitsahatra andro aman’alina nananatra anareo tsirairay avy, tamin-dranomaso!»
32
«Ary ankehitriny, ankiniko amin’Andriamanitra sy amin’ny tenim-pahasoavany ianareo, dia amin’Ilay mahay mandavorary sy manome lova anareo miaraka amin’Izay efa masina rehetra.
33
Tsy mba naniry izay volafotsy, na volamena, na fitafian’olona aho.
34
Fantatrareo fa ireto tanana ireto no nahazoako izay rehetra nilaiko sy nilain’izay rehetra niaraka tamiko.
35
Nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo manao hoe: ‹Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.› »
36
Nony avy nilaza izany izy, dia nandohalika ka niara-nivavaka tamin’izy rehetra.
37
Ary nitomany mafy izy rehetra, sy namihina ny vozon’i Paoly ary nanoroka azy,
38
fa nalahelo loatra izy, indrindra ange fa tamin’ny nilazany hoe: Tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo. Dia nanatitra azy hatreny an-tsambo izy ireo.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28