bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Acts 4
Acts 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 5 →
1
Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Piera sy i Joany, dia indreo tonga ny mpisorona maro, sy ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly, ary ny Sadoseanina,
2
sosotra izy ireo noho ny nampianaran’izy roa lahy ny vahoaka sy nitoriany ny fitsanganan’ny maty efa hita tamin’i Jesoa,
3
ka nosamboriny izy ireo, sy nataony an-tranomaizina ambara-pahamaraina ny andro; fa efa hariva ny andro tamin’izay.
4
Maro anefa tamin’izay nandre ny tenin’izy ireo no nino, ka tonga dimy arivo ny isan’ny lehilahy.
5
Nony ampitso, dia nivory tao Jerosalema ny mpifehy, ny loholona, ny mpanora-dalàna,
6
ary i Ana lehiben’ny mpisorona, i Kaifa, i Joany, i Aleksandra, mbamin’ny havan’ny mpisorona rehetra,
7
ka nasainy nentina teo anatrehany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: «Amin’ny fahefan’iza, na amin’ny anaran’iza no anaovanareo izany?»
8
Tamin’izay i Piera dia feno ny Fanahy Masina ka nilaza tamin’izy ireo hoe: «Ry mpifehy ny vahoaka sy loholon’i Israely,
9
raha ny amin’ny soa nataonay tamin’ilay lehilahy nalemy sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio,
10
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.
11
Iny Jesoa iny no vato narianareo mpanao trano, kanjo tonga vato fehizoro kosa;
12
ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.»
13
Dia gaga ry zareo nahita ity hasahian’i Piera sy i Joany, satria fantany fa sarambaben’olona sy tsy nahita fianarana izy roa lahy, ary tandriny koa fa olona efa niaraka tamin’i Jesoa izy ireo;
14
nefa tsy hitany izay hanoherany azy ireo noho ilay lehilahy sitrana hitany nitsangana teo akaikin’izy roa lahy.
15
Ka dia nasainy niala teo amin’ny fivoriana aloha izy roa lahy, ary izy ireo kosa niara-nihevitra,
16
nanao hoe: «Inona no hataontsika amin’ireo lehilahy ireo? Raha ny fahagagana nataony aloha, dia fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema miharihary izany, ka tsy azontsika lavina;
17
fa mba tsy hielezan’izany intsony amin’ny vahoaka kosa, ndeha horahonantsika izy, mba tsy hiteny amin’izany Anarana izany intsony na amin’iza na amin’iza.»
18
Dia nantsoiny izy ireo ka norarany mafy mba tsy hiteny sy tsy hampianatra amin’ny Anaran’i Jesoa intsony.
19
Fa namaly i Piera sy i Joany ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Tsaraonareo raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra noho an’Andriamanitra;
20
fa raha izahay, dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay.»
21
Tamin’izay, norahonany indray izy ireo, dia nalefany; fa tsy hitany izay hamaizany azy noho ny tahony ny vahoaka, izay efa nankalaza an’Andriamanitra daholo noho ny zavatra vao niseho teo,
22
sady ity lehilahy sitrana tamim-pahagagana koa moa efa olona efapolo taona mahery.
23
Nony afaka teo izy roa lahy, dia lasa niverina tany amin’ny namany ka nanambara tamin’izy ireo izay nolazain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona taminy.
24
Vao nandre izany kosa ireto havana iray finoana, dia niara-nivavaka tamin’Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô! Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy.
25
Ianao no niteny tamin’ny Fanahy Masina sy tamin’ny vavan’i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no nitabataba ny firenena, ary no nisaina teti-dratsy foana ny vahoaka?
26
Niodina ny mpanjakan’ny tany, ary niray tetika ny andrian-dehibe mba hanohitra ny Tompo sy ilay Kristiny.
27
Fa efa nikaon-doha marina tokoa teto amin’ity tanàna ity i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny Jentily mbamin’ny vahoaka Israely hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao,
28
ka hanatanteraka izay voatapaky ny tananao sy ny lahatrao rahateo.
29
Ary ankehitriny, Tompo, jereo ny fandrahonany, ary omeo ny mpanomponao ny hery hitory ny teninao amin-kasahiana tokoa,
30
sady ahinjiro ny tananao mba hisy fahasitranana sy famantarana ary fahagagana tanteraka amin’ny Anaran’i Jesoa Mpanomponao masina.
31
Nony avy nivavaka izy ireo, dia nihozongozona ny trano nivoriany, ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin-kasahiana.
32
Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra.
33
Tamin-kery lehibe no nanamarinan’ny Apôstôly ny nitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona, ary fahasoavana be no teo amin’izy rehetra.
34
Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo, satria izay rehetra nanan-tany na trano, dia nivarotra azy sy nitondra ny vidin’izay lafo,
35
ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstôly, ka nozarazaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.
36
Nisy levita anankiray atao hoe Josefa izay nomen’ny Apôstôly anarana hoe Barnabe (izany hoe zanaky ny fanalana alahelo), teraka tany Sipra:
37
nanan-tany izy, ka namidiny, dia nentiny ny vidiny sy napetrany teo an-tongotry ny Apôstôly.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28