bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Hosea 1
Hosea 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 2 →
1
Tenin’i Iaveh, tonga tamin’i Osea, zanak’i Beeri, tamin’ny andron’i Oziasa sy i Joatama sy i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely.
2
Tamin’ny niandohan’ny nitenenan’i Iaveh tamin’i Osea, izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Osea: «Mandehana ianao, makà vady tena janga, aman-janaky ny fijangajangana, satria tsy misy ataon’ny tany afa-tsy ny misaraka amam-bady amin’ny fandaozana an’i Iaveh.»
3
Dia nandeha izy, naka an’i Gômera, zanaka vavin’i Debelaïma, ary nanana anaka ravehivavy, ka nitera-dahy taminy.
4
Ary hoy i Iaveh taminy: «Ataovy hoe Jezrahely ny anarany, fa andro vitsy sisa, dia hovaliako ny taranak’i Jehò noho ny ra nalatsaka tao Jezrahely, ary hotaperiko ny fanjakan’ny taranak’i Israely.
5
Amin’izany andro izany, hotapahiko, eo amin’ny tanilemak’i Jezrahely, ny tsipìkan’i Israely.»
6
Ary nanana anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy, dia hoy i Iaveh tamin’i Osea: «Ataovy hoe Lô-Rôkama ny anarany, fa tsy hiantra intsony ny taranak’i Israely Aho ka hamela heloka azy.
7
Fa ny taranak’i Jodà no hiantrako; ary i Iaveh Andriamaniny no hamonjeko azy ireo; fa tsy amin’ny tsipìka, na amin’ny sabatra, na amin’ny ady, na amin’ny soavaly, na amin’ny mpitaingin-tsoavaly no hamonjeko azy.»
8
Nony notazany i Lô-Rôkama, dia nanana anaka indray ravehivavy, ka nitera-dahy.
9
Dia hoy i Iaveh tamin’i Osea: «Ataovy hoe Lô-Amì ny anarany, fa ianareo tsy vahoakako, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.»
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14