bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Hosea 5
Hosea 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 6 →
1
Mandrenesa izao, ry mpisorona; mihainoa tsara, ry taranak’i Israely; manongilàna sofina, ry taranaky ny mpanjaka; fa ianareo no hamoahana ny teny fitsarana, satria ianareo no efa fandrika tao Masfà sy fandrika harato voavelatra ao ambonin’i Tabôra.
2
Nataon’izy ireo mihoa-pampana ny fahadisoany, tamin’ny sorona nataony; fa ho famaizana anareo rehetra kosa Aho!
3
Mahalala an’i Efraima Aho ary tsy takona amiko i Israely; ary ianao, ry Efraima, nijangajanga, ary i Israely nandoto tena.
4
Tsy avelan’ny asa nataony hiverina amin’Andriamanitra izy ireo, fa saim-pijangajangana no eo afovoany, ka tsy mahalala an’i Iaveh izy.
5
Ny avonavon’i Israely no vavolombelona manameloka azy; ho lavon’ny helony i Israely sy i Efraima; hiara-davo amin’ireo koa i Jodà.
6
Hitondra ny ombiny aman’ondriny izy ireo, handeha hitady an’i Iaveh, nefa tsy hahita azy, fa nisaraka tamin’ireo izy.
7
Namitaka an’i Iaveh izy ireo, fa niteraka zaza hafa firenena; ary ankehitriny ho levon’ny volana ambony izy mbamin’ny ananany.
8
Tsofy ao Gabaà ny anjomara; ary ao Ramà ny trômpetra; miantsoa vonjy taitra ao Betavena! Mitandrema ianao, ry Benjamina!
9
Horavana i Efraima amin’ny andro famaizana; ny amin’ny hanjò ny fokon’i Israely zava-tsy maintsy tò no ambarako.
10
Ireo mpifehy an’i Jodà efa toy ny mpamindra faritra; hampidiniko amin’izy ireo ny fahatezerako toy ny rano.
11
ampahorîna sy torotoroin’ny fitsarana i Efraima satria ninia nanaraka ny sampy tsinontsinona izy.
12
Koa tahaka ny kalalao Aho amin’i Efraima, ary tahaka ny fahalòvana amin’ny taranak’i Jodà.
13
Rehefa nahita ny aretiny i Efraima, ary i Jodà ny ratrany, dia nankany amin’i Asora i Efraima ary naniraka ho any amin’ny mpanjaka anankiray izy hamaly ny ratsy natao taminy; tsy ho afa-manasitrana anareo anefa izany mpanjaka izany ka tsy ho afaka aminareo ny ferinareo.
14
Fa ho tahaka ny liona Aho, amin’i Efraima, ary ho tahaka ny liona tanora amin’ny taranak’i Jodà. Izaho dia Izaho no hamiravira, dia lasa mandeha; hitondra ny rembiko, ka tsy hisy haharombaka izany amiko.
15
Handeha Aho hody any amin’ny fonenako, mandra-piaikiny ny mahameloka azy, ka hitadiavany ny Tavako. Fa hitady Ahy izy ireo, rehefa azom-pahoriana.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14