bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Hosea 11
Hosea 11
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 12 →
1
Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy; ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako.
2
Nisy fiantsoana nataoko tamin’izy ireo; nefa izy niamboho. Nanolotra sorona amin’ny Baala izy, sy emboka ho an’ny sampy.
3
Ary Izaho nampiana-mandeha an’i Efraima, sy nitantana azy tamin’ny sandriny, nefa tsy fantany fa nanolikoly azy Aho.
4
Nentiko tamin’ny kofehy fitondrana olona izy ireo, dia tamin’ny fatoran’ny fitiavana; mova Aho tsy ilay nanainga ny jioga ho azy, eo ambonin’ny valanoranony, ary niondrika taminy sy nampihinana azy.
5
Tsy hiverina ho any amin’ny tany Ejipta izy; ary i Asora no ho mpanjakany, noho izy tsy nety nibebaka.
6
Hampandihizana sabatra ao an-tanànany ka handravaka ny hidiny ary handevona izany, noho ny fisainan’izy ireo.
7
Efa tapa-kevitra ny hisaraka amiko ny vahoakako; nisy niantso azy any ambony, nefa tsy misy miandrandra maso akory izy ireo.
8
Hataoko ahoana no famoy anao, ry Efraima, na fanolotra anao, ry Israely? Hataoko ahoana no famela anao ho tahaka an’i Adamà, na fampanjary anao ho tahaka an’i Sebôima? Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.
9
Tsy hanarana ny firehetan’ny hatezerako Aho, tsy horavako fanindroany i Efraima. Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olombelona; eo afovoanao ilay Masina, ka tsy ho tonga Aho mitondra ny fisafoahako.
10
Hanaraka an’i Iaveh izy ireo; hierona toy ny liona Izy, ka rehefa mierona Izy dia hidodododo avy any Andrefana amin-kovitra ireo zanany.
11
Hidodododo avy any Ejipta izy ireo, mangovitra toy ny voronkely ary avy any amin’ny tany Asora toy ny domohina; ka hamponeniko ao an-tranony, - teny marin’i Iaveh. -
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
Recommended Reading
Commentary
Hosea Commentaries
→
Devotional
Hosea Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→