bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Hosea 4
Hosea 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 5 →
1
Henoy ny tenin’i Iaveh, ry zanak’i Israely, fa manana ady amin’ny mponin’ny tany i Iaveh, satria tsy misy intsony na ny fahamarinana na ny fiantrana na ny fahalalana an’Andriamanitra ao amin’ny tany.
2
Fa ny olona dia mivadika fianianana, mandainga, mamono, mangalatra, maka vadin’olona; ary manao an-keriny, ka ny ra nalatsaka mifanolotra ny ra nalatsaka.
3
Noho izany, misaona ny tany, ary tsy manan-kery ny mponina rehetra ao aminy, hatramin’ny biby any an-tsaha sy ny voromanidina; ringana mbamin’ny hazandrano any anaty ranomasina aza.
4
Nefa aza misy manohitra, aza misy mitaraina, fa efa toy ny manana ady amin’ny mpisorona ny firenenao.
5
Ho tafintohina ianao, amin’ny antoandro; hiara-tafintohina aminao koa ny mpaminany amin’ny alina; ary hataoko levona ny reninao.
6
Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.
7
Izy rehetra, na firy na firy, samy nanota tamiko; ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.
8
Mivoky amin’ny fahotan’ny vahoakako izy ireo; ary tsy maniry afa-tsy ny faharatsiany.
9
Ho sahala ny hanjò ireny mpisorona ireny sy ny vahoaka; hofaizako izy, noho ny lalany ary hatsingeriko aminy ny asany.
10
Hihinana izy fa tsy ho voky; hijangajanga fa tsy hitombo; satria efa nahafoy an’i Iaveh, tsy hanompoany Azy izy.
11
Mahavery saina ny fijangajangana, ny divay, ny ranom-boaloboka.
12
Ny tapa-kazony no ilàn’ny vahoakako saina, ary ny tehiny no manoro azy ny ho avy, fa misy saim-pijangajangana nampania, ny vahoakako, ary lasa nijangajanga nanalavitra ny Andriamaniny.
13
Manatitra sorona eny an-tampon-tendrombohitra izy, mandoro emboka eny amin’ny havoana, eny ambany oaka amam-peopilie ary terebinta, satria tsara alokaloka ireny. Noho izany raha mijangajanga ny zanaka vavinareo, sy maka vadin’olona ny vehivavinareo tanora,
14
samy tsy hofaizako na ny zanaka vavinareo noho ny fijangajangany, na ny vinantovavinareo tanora noho ny fakàny vadin’olona; satria, na ireo koa aza, mihataka ho any amin’ny vehivavy janga, sy miara-manatitra sorona amin’ny karam-bavy. Ary mivarin-ko faty ny vahoaka tsy misaina.
15
Raha ianao no mijangajanga, ry Israely, aoka i Jodà tsy hilatsaka amin’ny heloka! aza mankany Galgalà na miakatra any Betavena ary aza mianiana hoe: Velona Iaveh!
16
Satria i Israely efa naditra, toy ny vantotr’ombivavy mitokona; ankehitriny kosa i Iaveh hiandry azy toy ny zanak’ondry eny amin’ny tany lemaka malalaka.
17
Tafaraikitra amin’ny sampy i Efraima; avelao izy ho eo!
18
Raha vao avy misotro izy ireo, dia rafitra mijangajanga. Zava-mahamenatra no hany tadiavin’ireo mpifehiny.
19
Namihina azy tamin’ny elany ny rivotra, ka ho latsaka an-kenatra izy ireo noho ny sorona nataony.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14