bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Hosea 12
Hosea 12
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 13 →
1
I Efraima nanodidina Ahy tamin’ny lainga, ary ny taranak’i Israely tamin’ny fitaka, i Jodà koa efa tapa-kofehy ny amin’ny momba an’Andriamanitra, ny amin’ny momba an’ilay Masina izay mahatoky.
2
I Efraima, mihinan-drivotra, sy manenjika ny rivotra avy atsinanana. Mampiavosa lainga amam-pandozàna mandritra ny andro izy; manao fanekena amin’i Asora izy ireo, ka entina ho any Ejipta ny diloilo.
3
Manana ady amin’i Jodà koa i Iaveh; efa hamay an’i Jakôba, araka ny lalany izy, sady hamaly azy araka ny asa nataony.
4
Mbola tao am-bohoka i Jakôba nanongona ny rahalahiny, ary tamin’ny fahavitrìhany dia nitolona tamin’Andriamanitra.
5
Niady tamin’ilay Anjely ka nandresy azy; nitomany sy nifona taminy; dia nahita azy tao Betela indray, ary tao no niresahan’Andriamanitra tamintsika.
6
Ary i Iaveh no Andriamanitry ny tafika; i Iaveh no anarany.
7
Ary ianao kosa dia mba hiverina amin’ny Andriamanitrao; tandremo ny famindram-po sy ny rariny; ary miandrasa ny Andriamanitrao mandrakariva.
8
I Kanaana mitana mizàna mandainga; ny miharaka no tiany.
9
I Efraima nanao hoe: Mba nihary harena ihany aho anefa, ka nahazo fananana be aho; ary amin’izay azoko rehetra, dia tsy ho hita amiko izay famonoana antoka azo atao ho fahotana.
10
Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao hatrany amin’ny tany Ejipta; mbola hampitoetra an-day anao Aho toy ny amin’ny andro fety.
11
Niteny tamin’ny mpaminany Aho, ary Izaho koa no nahamaro ny fahitana, ary niteny tamin’ny fanoharana Aho tamin’ny alalan’ny mpaminany.
12
Raha zava-poana i Galaada, dia ho tsinontsinona koa izy ireo; nanao sorona omby tany Galgalà izy; noho izany ny ôteliny ho toy ny antontam-bato eny amin’ny saha voasoritsoritra.
13
Nandositra ho any amin’ny tany Arama i Jakôba; nanompo mba hahazoany vady i Israely; dia niandry ondry izy hahazoany vady.
14
Ary mpaminany no nentin’Andriamanitra nampiakatra an’i Israely avy tany Ejipta, mpaminany no nentiny niahy azy.
15
Nanantsy mafy ny fahatezeran’Andriamanitra i Efraima, ka havelany hitsingerina aminy ny rany, ary hovalian’ny Tompo izy noho ny fanalam-baraka nataony.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14