bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Hosea 13
Hosea 13
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 14 →
1
Raha vao niteny i Efraima, dia nihorohoro ny olona; nisandratra izy teo amin’i Israely. Fa tonga meloka izy noho ny amin’i Baala, ka maty.
2
Ary ankehitriny izy ireo mandroso manota ihany; nanao sarin-javatra anidina tamin’ny volany, dia sampy araka izay hevitra foroniny; asan’ny mpanao taozavatra foana izany! Izao no filazan’ny olona azy ireo! Mpanao sorona olona, manoroka zanak’omby.
3
Noho izany izy ireo dia ho tahaka ny rahona maraina, ho toy ny ando amin’ny maraina malaky levona, ho tahaka ny akofa paohin’ny rivotra avy eo am-pamoloana, ary ho tahaka ny setroka mivoaka avy eo am-baravarankely.
4
Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao, hatrany amin’ny tany Ejipta; tsy hahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao; ary eo ivelan’ny Tenako tsy misy mpamonjy.
5
Nahalala anao tany an’efitra Aho tany amin’ny tany fahamainana.
6
Nony nahazo hanina izy ireo, dia nivoky; nivoky izy ka nisondrotra ny fony; ka izany no nanadinoany Ahy.
7
Izaho kosa amin’izy ireo, dia ho toy ny liona, ho tahaka ny pantera, hamitsahako eny amoron-dalana izy.
8
Hiantoraka aminy toy ny orsa very anaka Aho, handriatra ny sarom-pony Aho ary handrapaka azy eo, toy ny liom-bavy; ny biby any an-tsaha hamotipotika azy.
9
Izao no mahavery anao, ry Israely, dia ianao manohitra Ahy, manohitra an’izay vonjinao.
10
Aiza àry izay mpanjakanao, hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo mpitsaranao, izay nilazanao hoe: Omeo mpanjaka ama-mpanapaka Aho?
11
Omeko mpanjaka ianao amin’ny hatezerako; ary esoriko ireny amin’ny fahavinirako.
12
Voafehy ny helok’i Efraima, atao tsara tahiry ny fahotany.
13
Voan’ny fanaintainan’ny vehivavy raha miteraka izy; zaza tsy manam-pahendrena, fa nony tonga ny fotoana, tsy mandroso izy ho teraka.
14
Hanafaka azy amin’ny herin’ny Seoly Aho, hanavotra azy amin’ny fahafatesana. Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry Seoly ô, aiza ny fandringananao? Miafina amin’ny masoko ny nenina.
15
Fa hahavokatra eo amin’ny rahalahiny i Efraima; nefa ho tonga ny rivotra avy atsinanana; hiakatra avy any an’efitra ny fofon’ain’i Iaveh; ka ho maina ny loharanony; ho tankina ny fantsakàny; hobaboiny ny firaketan’ny zava-tsarobidy rehetra.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14