bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Joshua 12
Joshua 12
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 13 →
1
Ireto no mpanjakan’ny tany resin’ny zanak’i Israely, ary nalainy ny taniny any an-dafin’i Jordany any atsinanana, hatramin’ny ranon-driakan’i Arnôna ka hatramin’ny tendrombohitra Hermôna, sy ny Arabaha manontolo any atsinanan’ny ony:
2
i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nonina tao Hesebona; ny takatry ny fahefany dia hatrany Arôera, eo amin’ny ranon-driakan’i Arnôna, ary hatreo am-pamatonan’ny lohasaha amin’ny antsasak’i Galaada, ka hatramin’ny ranon-driakana Jaboaka, faritry ny tanin’ny taranak’i Amôna,
3
amin’ny Arabaha, hatrany amin’ny ranomasina Kenereta any atsinanana, sy amin’ny ranomasin’ny Arabaha dia ny Ranomasin-tSira any atsinanana, amin’ny lalana mankany Betisimota; ary amin’ny ilany atsimo dia hatrany am-pototry ny kisolosolon’i Fasgà.
4
Ny tanin’i Oga, mpanjakan’i Basàna, isan’ny sisan’ny Refaima nonina tao Aztarôta sy Edraia:
5
ny takatry ny fahefany dia ny tendrombohitra Hermôna, Salekà, Basàna rehetra, hatramin’ny faritry ny tanin’ny Gesorima sy ny Makatianina ary ny antsasak’i Galaada, faritanin’i Sehôna mpanjakan’i Hesebona.
6
I Môizy mpanompon’i Iaveh sy ny zanak’i Israely no nandresy an’ireo; ary ny Robenita sy ny Gadita, mbamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase no nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh ny tanin’izy ireo mba ho fananany.
7
Ireto kosa ny mpanjaka resin’i Jôsoe sy ny zanak’i Israely atỳ an-dafin’i Jordany, atỳ andrefana, hatramin’i Baala-Gada, amin’ny lohasahan’i Libàna, ka hatramin’ny tendrombohitra mangadihady misondrotra mankany Seira. Nomen’i Jôsoe ny fokon’i Israely, araka ny fianakaviany avy, izany tany izany, ho fananany,
8
dia ny any amin’ny tendrombohitra, ny any amin’ny tany iva, ny any amin’ny havoana, ny any an’efitra ary ny any amin’i Negeba, izay tanin’ny Heteanina, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina, ary ny Jeboseanina.
9
Ny mpanjakan’i Jerikô, iray; ny mpanjakan’i Haia akaikin’i Betela, iray;
10
ny mpanjakan’i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’i Hebrôna, iray;
11
ny mpanjakan’i Jerimota, iray; ny mpanjakan’i Lakisa, iray;
12
ny mpanjakan’i Eglôna, iray; ny mpanjakan’i Gazera, iray;
13
ny mpanjakan’i Dabira, iray; ny mpanjakan’i Gadera, iray;
14
ny mpanjakan’i Hermà, iray; ny mpanjakan’i Hedera, iray;
15
ny mpanjakan’i Lebnà, iray; ny mpanjakan’i Odolama, iray;
16
ny mpanjakan’i Makedà, iray; ny mpanjakan’i Betela, iray;
17
ny mpanjakan’i Tafnà, iray; ny mpanjakan’i Ofera, iray;
18
ny mpanjakan’i Afeka, iray; ny mpanjakan’i Lasarôna, iray;
19
ny mpanjakan’i Madôna, iray; ny mpanjakan’i Asôra, iray;
20
ny mpanjakan’i Semerona, iray; ny mpanjakan’i Aksafa, iray;
21
ny mpanjakan’i Tanàka, iray; ny mpanjakan’i Magedao, iray;
22
ny mpanjakan’i Kadesa, iray; ny mpanjakan’i Jakanàna any Karmela, iray;
23
ny mpanjakan’i Dôra, eo amin’ny havoanan’i Dôra, iray, ny mpanjakan’i Gôjima, ao Galgalà, iray; ny mpanjakan’i Tersà, iray;
24
totaliny, mpanjaka 31.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24