bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Joshua 14
Joshua 14
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 15 →
1
Izao no noraisin’ny zanak’i Israely ho lova, tany amin’ny tany Kanaana, izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’i Israely.
2
Filokana no nahazoany ny lovany, araka ny nandidian’i Iaveh ho an’ny foko sivy sy ny antsasa-poko;
3
fa ny foko roa sy ny antsasa-poko efa nomen’i Môizy lova tany an-dafin’i Jordany, fa tsy mba nomeny lova teo amin’izy ireo ny Levita.
4
Fa mizara ho foko roa ny taranak’i Josefa dia i Manase sy i Efraima, fa tsy mba nomena anjara tamin’ny tany ny Levita afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ho an’ny biby ompiany sy ny fananany.
5
Nanatanteraka ny didy nomen’i Iaveh an’i Môizy ny zanak’i Israely, ka nizara ny tany izy.
6
Nanatona an’i Jôsoe ny taranak’i Jodà tany Galgalà, ary i Kaleba zanak’i Jefone, Kenezeanina, nanao taminy hoe: «Fantatrao izay nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy olon’Andriamanitra ny amiko sy ny aminao tany Kadesa-Barne.
7
Efapolo taona aho, no nirahin’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, avy tao Kadesa-Barne, hisafo ny tany; ary araka izay tao am-poko tokoa no nanaovako filazana taminy.
8
Ireo rahalahiko niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ny olona; fa izaho kosa nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh Andriamanitro;
9
ka nianiana i Môizy tamin’izany andro izany, nanao hoe: Ho lovanao sy ny taranakao mandrakizay ny tany izay nohitsahin’ny tongotrao, fa nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh Andriamanitrao ianao.
10
Koa ankehitriny, efa nitahiry ny aiko araka ny voalazany i Iaveh hatramin’ny 45 taona nilazany izany teny izany tamin’i Môizy, fony i Israely nandeha tany an’efitra, ary 85 taona aho izao.
11
Mbola matanjaka aho anio toy ny fony nirahin’i Môizy, ny heriko ankehitriny sahala amin’ny fahizàny, na hiady, na hivoaka sy hiditra.
12
Koa omeo ahy io tendrombohitra voalazan’i Iaveh tamin’izany andro izany io; ny tenanao no nandre tamin’izany andro izany, fa ny Enakima no ao, mbamin’ny tanàna lehibe sy mimanda. Angamba homba ahy i Iaveh ka hahavatra mandroaka azy ireo aho, araka ny tenin’i Iaveh.»
13
Dia nitso-drano an’i Kaleba, zanak’i Jefone, i Jôsoe, ary nomeny ho lovany i Hebrôna.
14
Koa i Kaleba zanak’i Jefone, Kenezeanina, no tompon-dova an’i Hebrôna mandraka androany, satria nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely izy.
15
Kariat-Arbe no anaran’i Hebrôna fahiny; i Arbe dia lehilahy goavam-be indrindra tamin’ny Enakima. Ary nitsahatra tamin’ny ady ny tany.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24