bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Joshua 3
Joshua 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 4 →
1
Dia nifoha maraina koa i Jôsoe, ka niala tany Setima izy mbamin’ny zanak’i Israely rehetra; nony tonga tao Jordany izy ireo dia nijanona teo, alohan’ny hitana azy.
2
Nony afaka hateloana, dia nitety ny toby ny manamboninahitra,
3
ka nandidy ny vahoaka hoe: «Rehefa hitanareo ny fiaran’ny faneken’i Iaveh Andriamanitrareo, entin’ny mpisorona Levita, dia mialà eo amin’ity toerana ity, ka miaingà manaraka azy.
4
Asio elanelany sahabo ho arivo hakiho anefa aminareo sy izy, mba hahitanareo ny lalana hombanareo, fa lalana mbola tsy nalehanareo na oviana na oviana izany.»
5
Ary hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Hamasino ny tenanareo, fa hanao fahagagana eo afovoanareo i Iaveh rahampitso.»
6
Dia niteny tamin’ny mpisorona i Jôsoe ka nanao hoe: «Ento ny fiaran’ny fanekena ka mità eo alohan’ny vahoaka.» Dia nentin’izy ireo ny fiaran’ny fanekena, ka nandroso teo alohan’ny vahoaka izy.
7
Hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Indro aho hanomboka hanandratra anao eo imason’i Israely rehetra mba ho fantany fa toy ny nombako an’i Môizy no ombako anao koa.
8
Ary ianao dia manomeza izao didy izao amin’ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena: Rehefa tonga eo amoron’ny ranon’i Jordany ianareo, dia mijanona ao anatin’i Jordany.»
9
Ary i Jôsoe nilaza tamin’ny zanak’i Israely hoe: «Manatòna ianareo, ary mihainoa ny tenin’i Iaveh Andriamanitrareo.»
10
Dia hoy i Jôsoe: «Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona, ka tsy maintsy horoahina eo anoloanareo tokoa ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Heveanina, ny Ferezeanina, ny Gergeseanina, ny Amôreana, ary ny Jeboseanina:
11
Indro handroso eo alohanareo ao anatin’i Jordany ny fiaran’ny faneken’ilay Tompon’ny tany rehetra;
12
koa ankehitriny mangalà roa ambin’ny folo lahy amin’ny fokon’i Israely, dia lehilahy iray avy isam-pokony.
13
Ary raha vao miroboka ao anatin’ny ranon’i Jordany ny faladian-tongotry ny mpisorona mitondra ny fiaran’i Iaveh, Tompon’ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon’i Jordany, ny midina avy any ambony, ka hihandrona hoatra ny antontan-javatra.»
14
Nony efa nivoaka ny lainy ny vahoaka hita an’i Jordany dia nialoha ny vahoaka ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena.
15
Raha vao tonga teo Jordany ny mpitondra ny fiara, ary niroboka ny sisin-drano ny tongotry ny mpisorona mpitondra ny fiara - fa tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jordany mandritra ny fararano,
16
dia nihandrona ny rano midina avy any ambony, ka niavosa hoatra ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, akaikin’ny tanànan’i Adoma, izay anilan’i Sartàna, ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin’ny Ranomasina Arabaha, dia ny Ranomasin-tSira, ka nita tandrifin’i Jerikô ny vahoaka.
17
Nitsatoka tsy nihetsika tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, nandritra ny nitan’i Israely rehetra tamin’ny tany maina, mandra-pahatafitan’ny firenena an’i Jordany.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
Joshua Commentaries
→
Devotional
Joshua Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→