bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Joshua 2
Joshua 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 3 →
1
Nandefa mpisafo tany roalahy mangingina avy tany Setima i Jôsoe zanak’i Nona, nataony hoe: «Mandehana, zahao ny tany, sy i Jerikô.» Dia niainga izy roa lahy, ka tonga tao amin’ny tranon’ity vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ary nandry tao.
2
Nisy kosa nampandre izany tamin’ny mpanjakan’i Jerikô, nanao hoe: «Injao misy olona avy amin’ny zanak’i Israely, tonga alina atỳ hisafo ny tany.»
3
Dia naniraka ny mpanjakan’i Jerikô hilaza amin-dRahaba hoe: «Avoahy ireo lehilahy izay tonga tao aminao tafiditra ny tranonao, fa hisafo ny tany no nahatongavan’ireo atỳ.»
4
Fa nalain-dravehivavy kosa izy roa lahy ka nafeniny, dia hoy izy: «Tonga teto amiko tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro na avy aiza na avy aiza izy;
5
ary nony ndeha hanidy ny vavahady ny olona tamin’ny hariva dia nivoaka izy ka tsy fantatro izay nalehany. Enjeho faingana fa tratranareo izy.»
6
Kanjo nasainy niakatra any ambony tafon-trano izy ireo, dia nafeniny tao ambony tafon-trano.
7
Nanenjika azy ireo olona nihazo ny lalana mankany amin’ny fitàna an’i Jordany, ary vao tafavoaka ireny mpanenjika ireny dia nohidiana ny vavahady.
8
Talohan’ny handrian’ireto mpisafo tany, dia niakatra tao aminy tao ambony tafon-trano i Rahaba, ka nanao taminy hoe:
9
«Fantatro fa efa nomen’i Iaveh anareo ity tany ity, satria izahay efa raiki-tahotra ny anaranareo; ny mponina rehetra amin’ity tany ity efa ketraka eo anoloanareo.
10
Renay ny nanamainan’i Iaveh ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta; sy ny nanaovanareo ny mpanjakan’ny Amôreana roa lahy, tany an-dafin’i Jordany, dia i Sehôna sy i Oga, izay nataonareo anatema.
11
Ka nony nandre izany izahay dia samy rera-po sy nanary toky avokoa tamin’ny fiavianareo, satria i Iaveh Andriamanitrareo ihany no Andriamanitra, any ambony amin’ny lanitra ary etỳ ambany amin’ny tany.
12
Koa ankehitriny, mihanta aminareo aho, mba hianiana amin’i Iaveh ianareo, fa toy ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko koa; ary omeo famantarana mahatoky aho,
13
fa hovelominareo ny raiko aman-dreniko, sy ny anadahy aman-drahavaviko, mbamin’ny olona rehetra momba azy, ka hamonjy anay tsy ho faty ianareo.»
14
Dia hoy izy roa lahy taminy: «Raha tsy ambaranao izao raharahanay izao dia aoka ho faty ho anareo izahay; ary rehefa omen’i Iaveh anay ny tany dia famindram-po amam-pahamarinana no hataonay aminao.»
15
Dia nampidininy tamin’ny mahazaka avy eo am-baravarankely izy ireo, fa nanolotra ny manda indrindra ny tranony, ary teo ambony manda no nitoerany.
16
Ka hoy izy taminy: «Mankanesa any an-tendrombohitra, fandrao tojo ny mpanenjika ianareo, ary miere any hateloana, mandra-piveriny; fa rehefa afaka izany vao mandehana amin’ny lalanareo.»
17
Dia hoy ireo lehilahy taminy hoe: «Izao no mba hanatanterahana ny fianianana nasainao nataonay:
18
Rehefa hiditra amin’ity tany ity izahay dia afehezo eo amin’ny varavarankely nampidinanao anay ity kofehy mena mangatrakatraka ity, ary vorio ato aminao, ato an-tranonao, avokoa ny ray aman-dreninao sy ny anadahinao mbamin’ny ankohonan-drainao rehetra.
19
Ary izay mivoaka ny varavaran’ny tranonao ho any ivelany, dia azy ho azy ny rany, fa tsy anananay tsiny. Fa raha mikasi-tanana ny anankiray amin’izay rehetra ao an-tranonao, dia anay ho anay ny rany.
20
Raha ianao koa no manambara izao raharahanay izao, dia afaka amin’ny fianianana nampanaovinao anay izahay.»
21
Hoy ny navaliny azy: «Aoka ho araka ny teninareo.» Dia nalefany izy roa lahy ka nandeha, ary nafehiny teo amin’ny varavarankely ilay kofehy mena mangatrakatraka.
22
Nony nandeha ireo mpisafo tany dia nankany an-tendrombohitra sy nijanona hateloana tao, mandra-piverin’ny mpanenjika azy. Nikaroka azy tany an-dalana rehetra tany ireo mpanenjika azy, fa tsy nahita azy.
23
Dia niverina izy roalahy, ka nidina ny tendrombohitra sy nita an’i Jordany.
24
Tonga tany amin’i Jôsoe zanak’i Nona izy, dia nilaza ny zavatra rehetra nihatra taminy.
25
Hoy izy tamin’i Jôsoe: «Efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra, ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany eo anoloantsika.»
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24